Tsy faritra mena intsony fa nahitana fihenana ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra Bongolava izay nanjakan’ny asan-dahalo teo aloha noho ny fampandriana fahalemana iarahan’ny hery fiarovana sy filaminana. Notanterahina ny zoma teo, tao amin’ny Kianja manara-penitra Tsiroanomandidy, ny fandraisam-pibaikoan’ny kaomandin’ny Fari-piarovana sy ny filaminana (ZDS) Tsiafajavona, ny Kly Ratolojanahary Johnson […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Hahazo vahana ny tsiokan’ny alizay manomboka anio. Hisy fidinany ny maripana ho an’ny ilany atsinanan’ny afovoantany manontolo. Ankoatra izay, hisongadina ny fiakaran’ny maripana any amin’ny ilany andrefan’ny Nosy. Eto Antananarivo, hahatratra 17°C ny maripana ambany indrindra, raha 28°C kosa ny ambony indrindra, ho an’ny anio. Hotanterahina rahampitso ka hatramin’ny 24 […]
Fandaharanasa Kix : hanatsarana ny politikan’ny fanabeazana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny fandaharanasa “Knowledge and Innovation eXchange” (Kix). Fandaharanasa entina hanatsarana ny politikan’ny fanabeazana sy ny fomba fampianarana amin’ny alalan’ny fifampizarana fahalalana sy traikefa eo amin’ireo mpisehatry ny fanabeazana amin’ireo firenena mpisitraka izany, indrindra ireo firenena 68 mpikambana ao amin’ny GPE (partenariat mondial […]
Fampianarana ambony : mahasarika mpiofana ny « cours en ligne »
Fomba iray ampiasaina hampitana fahalalana amin’izao fotoana izao, ho an’ny fampianarana ambony, ny « cours en ligne » mikirakira ny teknolojia vaovao. Ho an’ny olona efa manana anton’asa mbola vonona ny hanitatra fahalalana amin’ny taranja iray manokana no misafidy azy. Mampiasa ny fampianarana « cours en ligne » ny University Reference eny Amoronakona, nanomboka […]
Fanaovam-baksiny : nampiasaina ny paikady rehetra hanatrarana ny taha 95%
Nifarana omaly ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana ny ankizy amin’ny aretina kitrotro sy lefakozatra ho an’ny faritra 23. «Nohamafisina ny paikady ka naverina indray ny fitetezana tokantrano, ny faran’ny herinandro teo, hatrany amin’ny efitrano fiangonana efa nanaiky ny fiaraha-miasa tamin’ny ekipa mpanao vaksiny, hoy ny mpitsabo lehiben’ny CSB II Tsarasaotra, […]