Notombanana ny herinandro lasa teo, ny tetikasa Magnovasoa, momba ny fanamafisana ny fahafaha-miatrika ho an’ny fiahiana ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafo. Nanatontosa ny tombana ny Pam sy ny Unicef ary ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN), izay manantanteraka ny tetikasa rahateo ho an’ny faritra telo iasana. Natomboka ny taona 2023 amin’ny […]
Fiaraha-monina
Fanatsarana ny zon’ny vehivavy: « Ho laharam-pahamehan’ny politikan’ny Fanjakana »
Notanterahina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fankalazana ofisialy ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy”, omaly. Nitarika izany ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana Randrianirina Elisa. Nanome voninahitra ny fotoana ny vahiny manan-kaja avy any Centrafrique. Tontosa omaly, teny Mahamasina ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Nisy ny […]
IPAS Madagascar: Manamafy ny fanabeazana ara-pananahana ho an’ny zatovo
Nikarakara atrikasa famelabelaran-kevitra tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny Ipas Afrique Madagascar, ny alarobia 4 marsa 2026 teo. Fotoana niresahana mahakasika ny zo sy fahasalamana ara-pananahana eo amin’ny zatovo. Ao anatin’ny sokajin’olona marefo ny zatovo, indrindra ny zatovovavy satria iharan’olana maro. Ankoatra izay, mbola mipetraka ho fady eny anivon’ny fiarahamonina […]
INDRAY MIJERY
Tonga ny vaksiny miaro amin’ny valanaretina Mpox. Fatra 30 000 no azon’i Madagasikara noho ny tohana avy amin’ny mpiray ombon’antoka, Unicef sy ny OMS. Novokarin’ny laboratoara Bavarian Nordic ny vaksiny. Hisitraka azy voalohany ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny olona tena ahina amin’ny ambana hifindran’ny aretina. Hatramin’ny 3 marsa lasa teo, […]
Vadin’ny filoha, Randrianirina Elisa : « Fototra ho an’ny fiarahamonin’ny vehivavy »
Tanterahina etsy Mahamasina ny fampirantiana manasongadina ny harena ara-kolontsaina sy ny fahaiza-mamorona ananan’ny vehivavy avy amin’ireo faritra 23. Hetsika natao hampahafantarana ny asa tanana, toy ny taozavatra sy ny zavakanto vokarin’ireo vehivavy izany. Maneho ny anjara biriky entin’ izy ireo manohana ny toekaren’ny ankohonana sy ny fampandrosoana ny firenena ihany […]




