Tanterahina ao Antsirabe, nanomboka ny alatsinainy hifarana ny sabotsy izao, ny dinika ho fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana sy ny manodidina izany, eny anivon’ireo tobim- pahasalamana manerana ny Nosy. Efa nametraka ny fomba fiasa AIM na ny firaisankina ho fametrahana ny fihavaozana eo amin’ny fahasalaman’ny reny. Mifampiankina amin’ny fiantohana ara-pahasalamana manaraka […]
Fiaraha-monina
Dr Mahafaky Justin: “Anjakan’ny tazomoka ny faritra Atsimo Atsinanana”
Mahery vaika ny aretina vokatry ny tazomoka sy ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Nilaza ny governora any an-toerana fa ilaina fandraisana an-tanana maharitra eo amin’ny fanjakana ny hiadiana amin’izany. Mahatratra 543 994 ny trangana tazomoka ho an’i Madagasikara ary 68 no maty vokatr’izany, raha ny tatitra navoakan’ny OMS […]
Faritra Atsimo Atsinanana: voaporofo fa zaza 4 matin’ny mosary
Nitondra fanazavana ny sekretera mpanatanteraka ao amin’ny BNGRC, Elack Olivier, omaly, tetsy Anosy, fa voaporofo izao fa ankizy sy zaza 4 matin’ny hanoanana tao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, tao Manakara, tanànan’i Vohitrindry. Araka ny fanadihadiana ifotony nataon’izy ireo tany an-toerana no nahafantarana izany. Tetsy andaniny, nanamafy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izay […]
Taom-pianarana 2023-2024 : hamokatra boky fizarana mamaky teny ho an’ny T1-T2-T3
Hamokatra boky fizarana mamaky teny ho an’ny kilasy T1-T2sy T3 ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ho an’ny taom-pianarana 2023-2024, araka ny fanambaran’ ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Rabenandrasana Théophil, afakomaly, teny Antanimena. Taorian’ny fanombanana ny boky hoenti-mampianatra eny amin’ny EPP sy ny CEG, nivoitra fa boky mitarika hanovo fahaizana no mila vokarin’ny […]
Titra iray, trano iray (OTOH) : ampirisihana hanorina trano ny Malagasy
Nitondra fanazavana, omaly, ny sekretera jeneralin’ ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Ravoavinorosoa Léa, mikasika ilay tetikasa “Titra iray, trano iray”. Nambarany fa fandaharanasa ho fanomezana trano fonenana ho an’ny Malagasy rehetra ny OTOH (One title, one housing). Fampirisihana ny olona hanorina trano sy hanana tany ho azy tenany. Mijery […]





