Notokanana ny alarobia teo ny fotodrafitrasa, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Salama BNI”, niarahana tamin’ny Fondation Axian sy ny kaominina. Misokatra ho an’ny marary sy ireo mpiteraka ny CSB I vaovao eny amin’ny fokontany Amboaroy, ao anatin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo. Ahitana efitra dimy, ahafahana mandray marary sy mandray mpiteraka […]
Fiaraha-monina
Seces : “Mananontanona ny mosary”
Mbola latsaky ny 10% amin’ny toeram-pambolena isan-taona no voavoly vary any Alaotra amin’izao fotoana izao, hoy ny fanambaran’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka Seces, sampana Antananarivo, omaly. Mihantona ny rotsak’orana any an-toerana vokatry ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiakaran’ny hafanan’ny tany. Manify ny tahirim-bary any Antsihanaka satria tafakatra 800 Ar ny vidin’ny […]
Herisetra an-tokantrano : tonga mitaraina eny Mahamasina koa ny lehilahy
Telo taona no niorenan’ny ivontoerana miady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy eny Mahamasina, niainga avy amin’ny finiavan’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy, izay masoivohon’ny ady amin’ny herisetra eto Madagasikara sady filohan’ny fikambanana Fitia, misahana asa sosialy sy fanohanana ny marefo. Nandritra izay fotoana izay, nahatratra 7 162 […]
Anjerimanontolo : tsy ampiharina ny lalàna
Mivoatra ny sehatry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa olana ny tsy fivoaran’ny lalàna sady tsy misy fampiharana izay lalàna vaovao havoaka. Takina ny fampivoarana ny lalàna manan-kery sy ireo voka-pikarohana voarakitry ny bokin’ny mpikaroka mpampianatra sy ny mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo ho azo hampiharina hitondrana fivoarana ho […]
Ankatoky ny fety: miaka-bidy ny akoho amam-borona
Mahatratra hatramin’ny 150.000 Ariary ny vidin’ny vorontsiloza iray eny an-tsena, 20.000 hatramin’ny 40.000 ariary ny mofo mamy ary 2000 ariary kosa ny chocolat. Manodidina ny 100.000 Ariary eo farafahakeliny, ny vola natokan’ny ankamaroan’ny olona amin’izany. Efatra andro alohan’ny fetin’ny Noely ary sivy andro alohan’ny faran’ny taona. Niakatra avokoa, hatreto, ny […]




