Tonga nanolotra fitaovana ara-medikaly, mitentina 100.000 dolara , ho an’ireo hopitaly lehibe manerana ny Nosy sy ho an’ny laboratoara LA2M ny fanjakana koreana tatsimo tamin’ny alalan’ny Masoivoho an’i Korea miasa eto amintsika, Yongho Son, omaly, teny Ambohidahy. Nandray izany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo ary nitondra ny […]
Fiaraha-monina
Vokatry ny fanohanan’ny USAID : olona 800 000 nizaran’ny Pam tohana ara-tsakafo
Tsy misy fiahiana ara-tsakafo ny mponina any atsimon’ny Nosy ka tojo olana amin’izao fotoana izao. Nitondra fanampiana mitentina 45 tapitrisa dolara hampiasain’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), ny Sampandraharaha amerikanina ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) tamin’ity taona ity. Nahafahana nisoroka olana ara-tsakafo goavana ny fisian’ny tohana satria ny […]
Sekoly Telma : notokanana ny Préscolaire tamin’ireo EPP dimy
Niara-notokanana, omaly, teny amin’ny EPP Malaho ny efitranon-tsekoly vaovao ho an’ny Préscolaire natsangana tamin’ny EPP miisa dimy eto Analamanga. Anisan’ny nisitraka izany ny EPP Malaho, Soalandy, Tsararirinina, Soamanandrariny ary Masinandriana, izay ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano sy Avaradrano avokoa. Ahitana efitrano fianarana sy fampitaovana raitra ahafahan’ny ankizy madinika manokatra tsikelikely ny […]
Fikambanana Ny sahy: mahafapo ny ady amin’ny fifohana sigara
Nahafapo ny ady amin’ny fifohana zava-mahadomelina nefa mbola tsara tohizana ny hetsika sy fanamafisana ny lalàna amin’ny fifohana sigara eto Madagasikara, hoy Ramamonjisoa Haja, tompon’andraikitry ny fikambanana Ny sahy. Nanatanteraka atrikasa momba ny mari-pamantarana ny fifehezana ny zava-mahadomelina eto Madagasikara ny fikambanana Ny Sahy, omaly, izay notanterahina teny Antaninarenina. Niompana […]
Asa fikarohana: nosokafana ny ivontoerana « Rasamoelina Joelly Rojo”
Nosokafananyzoma faha-16 nyvolanadesambralasateo, tanyAntanifotsyAndrainjatonyivon-toerana, natokana ho an’nympikarokaantsoina hoe “RasamoelinaJoellyRojo”. Toeranaizaynatsangan’nyprofesoraRasamoelina Henri,miasaaoamin’nyOniverisiten’iFianarantsoa. “Tanjonanyhanampynympikarokamalagasy. Hampirisihanaihanykoanyolom-pirenena ho tiafikarohana”, hoy izy. Ahitanagazetymarobe, nangonin’nympanorina, nanombokanytaona 1976 izany. Mbolamisykoavoka-pikarohana toy ny“Mémoire”sy“Thèse”miisa 3000 mahery. “Manampyihanykoanyolonatiavakybokynyivontoeranasatriamisynybokysarotratadiavinasytsyfahitafiryintsonyaoaminy”,hoy hatranynympanorina. Tsiahivina, fa sadyprofesoraamin’nylafinyfandinihananyfiarahamonina no mpanaogazetyihanykoa Atoa Rasamoelina Henri.




