Fiaraha-monina

Mandritra ny fety: 3000 mahery ny polisy hiasa

Hahatratra 3000 mahery ireo polisim-pirenena hisahana ny fandriampahalemana mandritra ny fetin’ny Krismasy sy taom-baovao 2023. Toy ny mahazatra, misy ny rindram-damina atao hiatrehana ny fety. Amin’ity indray mitoraka ity, nampitomboina ireo mpitandro filaminana hiasa eto an-drenivohitra. Raha tokony ho 2.600 isa  izany dia lasa 3.000 mahery ampian’ireo mpiofana ao amin’ny […]

Lalàna mifehy ny fanavaozana ny rafi-panabeazana: “Majavozavo ka mila fanatanterahana zaikabe”, hoy ny filohan’ny Dnelm

Lany teny anivon’ny andrim-panjakana mpanao lalàna roa ny volavolan-dalàna laharana faha 009/2022 tamin’ny 15 jona 2022 mahakasika ny Lalàna mifehy ny fanavaozana ny rafi-panabeazana eto Madagasikara. Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon’ny Antenimierandoholona Anosy, nandritra ny fivoriana ny talata 13 desambra teo. Manoloana ny fivoaran’ny raharaha, nitondra fanehoan-kevitra ny filoha nasionaly […]

Ankatoky ny fety: ankafizin’ny   ankizy ny hazo noely ao an-trano

Ankafizin’ny  Malagasy  ny manaingo trano amin’ny alalan’ny  fametrahana hazo noely .  Hita manao izany hatreto ny trano misy zazakely sy ankizy, raha ny fanadihadiana natao.  Ny ankizy no tena ampifaliana satria fetin’ny zareo rahateo ny noely, hoy i Toky.  Mangataka ny hisian’izany ao an-trano izy ireo,  mitomany mihitsy raha sanatria […]

Fihotsahan’ny tany: mponina 10 000 amin’ny fokontany 15 tandindomin-doza 

Nanao fanairana ireo mponina mipetraka eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana sy ny manodidina ny kaominina  Antananarivo Renivohitra , ny vondrona mpamonjy voina miaraka amin’ny BNGRC, ny prefektioran’Antananarivo  ary ny corps de protection civile, momba ny mety hihotsahan’ny tany. Tandindomin-doza ireo mponina miisa 10 000, mipetraka eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana, Ambohidempona ary Faravohitra sy […]