Indraimbava

Toa lelon-jaza

  Andro vitsy dia hanomboka ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy. Efa misy tonga eto Madaga­sikara ny vahiny mpilalao. Mihazakazaka manaraka izay ny fanamboarana ny fotodrafitrasa isan-karazany. Misy mahavita majia mihitsy amin’ny fanenjehana tetiandro. Mahafinaritra ny fiaraha-mientana satria miaro ny voninahi-pirenena. Tsy afa-miala amin’ny fiarahamonina iraisam-pirenena rahateo i Madagasikara amin’ny […]

Boribory vetaveta!

Miraradraraka an-tany ny ran’olombelona tsy manan-tsiny. Maro ny rava fananana anatin’ny indray mipi-maso. Betsaka ny maratra sy mitondra takaitra mandra-maty. Santionany amin’ny voka-dratsin’ny lozam-pifamoivoi­zana niseholany tato ho ato izany. Mampalahelo fa noho ny tandrevaka sy ny fanaovana antsirambina ary indrindra ny tsy firaharahana ain’olona no mahatonga izany. Marina, tsy maty […]

Mila milamina

  Ny fahantrana mahazaka maniraka? Mby an-tsaina ho azy amin’izany ny hoe anisan’ny mahatonga ny olona hanaotao foana ny fahantrana. Nefa eo koa ny fitiavan-tena, ny fitia te hanambe haingana sy tampoka. Izany no mampirongatra ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa amin’izao? Misy tonga amin’ny famonoana tsy ahoan-tsy ahoana, fakana […]

Mafana ny tanàna

  Mafana, mafana! Ny eto an-tanàna. Mangotrakotraka ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Efa somebiseby ny isam-paritra mandray ny afo Olympika. Anio fety be ao an-drenivohitr’i Matsiatra Ambony. Miakatra tsikelikely izany hamonjy an’Antananarivo izay hihanoka fety sy fifaninana isan-karazany. Ho ambohipihaonan’ny vahiny avy any ivelany sy avy ato anatiny. Mafana ihany […]

Kolikoly ara-panahy !

  Masina ny tanindrazana ! masina koa anefa ireo masina ka tsy tokony ho zimbazimbaina sy lalaovina amin’ny resaka politika. Iaraha-mahita ankehitriny fa zary tafiditry ny kajikajim-pifidianana ny antokom-pivavahana na antokom-pinoana iray. Taiza hatrizay no misy fikambanana mitondra ny anaran’i Kristy, manolotra kandidà ho filohan’ny Repoblika. Ny antokom-pinoana lehibe rahateo efa […]