Mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahelamana manerana ny Nosy. Isan’andro vaky izao dia misy ny maty amin’ny fomba feno habibiana. Tsy vitan’izay, tena mivadika atidoha ara-bakiteny ny olon-dratsy. Feno fahasahiana, mahasahy mandatsa-dra sy mamono ankitsirano. Tsy misy vidiny intsony ny ran’olombelona. Very maina, raraka an-tany tsy fidiny. Mampivarahontsana ny mieritreritra […]
Indraimbava
Lanja miakatra
Tsy misy fiainana mihamora izany? Dia lasa fomba fiaina sy fisaina ny fiaretana, fihafiana, fahoriana aza. Nahoana? Fahoriana sy fampijalian-tena ny fiaretana tsy anantenana fiovana sy fihatsarana amin’izay iforetana. Sanatria, izany ve no misy sy iainana amin’izao raha ny fiakaran’ny vidim-piainana? Saika mandeha ho azy ny fihafiana amin’ny fidangan’ny […]
Malina hatrany
Mbola mitohy ny voka-dratsin’ny rivodoza Honde any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Miakatra izaitsizy ny rano ary mihadobo ny tanàna maro. Mivadika ny rasa, tsy ny haintany intsony no ahafantarana ny any atsimo, fa misesisesy ny tondradrano. Maro ny trano rava. Maro ny rava fananana. Efa isan-taona no lalovan’ny rivodoza […]
Mandeha haingana sy lavitra
“Raha te handeha haingana ny tena, mandeha irery; raha te ho lasa lavitra, miaraka amin’ny besinimaro”, hoy ny ohabolana afrikanina iray izay. Izay ny mahatonga izay mandeha irery na ny vitsy anisa manao hitsin-dalana? Na mitompo teny fantatra amin’izay lazainy sy ataony, manelingelina ny hafa, manakorontana aza indraindray… Amin’ny […]
Mila mijoro!
Trangam-piarahamonina mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny fibodoana tany ataon’ny olona mpanam-bola sy manam-pahefana. Ireo tantsaha any ambanivohitra no mahita faisana. Miseho amin’ny endriny maro ny halatra, manginy fotsiny ny fanambakana. Miaritra ny mafy sy tsindrihazolena ireo marefo sy tsy misy mpiaro. Manao ilay tsindriofalavo ny ankamaroan’ny Mafia. Ny […]





