Mizotra mankaiza ary ity firenena ity? Mahavalalanina ny fivoaran’ny fiarahamonina. Mijininika hatrany ny ra na an-drenivotra na any ambanivolo. Samy manampatra ny heriny avokoa izay manana ny hery na mahita hirika hanaovana izany. Mahoraka ny fitsaram-bahoaka manerana ny Nosy. Manao izay danin’ny kibony mihitsy ny fokonolona, raha vao mahita fomba […]
Indraimbava
Teteza-miitatra !
Raha ny vaovao miely ankehitriny dia hisy indray ny tetezamita. Asa, mety hisy hifandraisany amin’ny fitarazohan’ny fanomanana ny fifidianana angamba izany ? Ny zava-misy aloha dia mirona kokoa any amin’ilay fanemorana. Ny fanavaozana ny lisi-pifidiana aza mandrak’izao mbola tsy mety vita, noho ny antony samihafa, indrindra ny lafiny teknika sy ny […]
Foto-drafitr’olona
Tsy misy distrika hadino amin’ny fampandrosoana amin’izao? Voalohany sy lehibe amin’izany ny fanorenana fotodrafitrasa; eny, na hoe atao laharam-pahamehana aza ny sosialim-bahoaka noho ny fahasahiranana marolafy. Teo ny dona vokatry ny ady amin’ny valanaretina Covid-19, ny rivodoza maro nifanesy, ny krizy ateraky ny ady eo amin’i Ukraine sy i Rosia… […]
Fialofan’ny marefo hoe… ?
Teny filamatry ny fitsarana malagasy ny hoe fialofan’ny marefo. Raha vao miditra ny Lapan’ny fitsarana dia izay no mitsena. Toa miakatra ho azy ny moraly. Velom-panantenana izany ireo olona an’arivony isan’andro, tonga eny amin’ny tribonaly. Iza tokoa no tsy ho sodokan’izany fehezanteny izany? Indrindra ireo efa iharan’ny tsindrihazolena sy ny […]
Mangingina…hafahafa !
Mangingina toa mifono toe-javatra hafahafa ny raharaha politika eto amin’ny firenena, ankehitriny. Iaraha-mahalala anefa fa mihenjana sy mamaivay izany any ambadika rehetra any. Ampahany ihany no hita sy voizin’ny sasany eny amin’ny tambajotran-tserasera. Efa samy miketriketrika ny fomba rehetra hampiodinana ny lamasininy avokoa ny mpisehatra politika. Ny eo anivon’ny fitondram-panjakana, […]