Indraimbava

Mila mailo sy malina

  Mazava ny zava-drehetra, namoaka ny datim-pifidianana ofisialy ny governemanta, omaly. Ny fanomanana rahateo efa miroso tsikelikely na dia tsy mifanaraka aza ny vola nangatahan’ny Ceni sy ny azo, hoenti-miasa. Ny zava-dehibe! To ny fanirian’ny Malagasy maro anisa, tsy mankasitraka ny fitarozahan’ny raharaham-pirenena sy ny fivoizana Tetezamita. Niarahan’ny rehetra nahita […]

Mirefarefa ny adihevitra!

  Mbola resabe hifandroritana mandrak’izao ny momba ilay zom-pirenen’ny filohan’ny Repoblika. Ny manahirana, mibirioka ny ady hevitra. Mivadika zava-dratsy, mirona any amin’ny fifankahalana lalina. Zary vontoatin-tsera­sera hoentina mifamono ankolaka na mivantana mihitsy. Na mpanohitra na mpanohana fitondrana mpamono afo, lasa mitady hirika hanapotehina olona fa tsy foto-kevitra na firehana politika. […]

Ronono an-tavo

  Tsy fasian-dronono ny tavy. Ny ronono tsy fanao an-tavy. Ronono an-tavo no marina. Tavo, nahazoana ny tavoara, voatavo, tavo(a)hangy… Zava-miafina na afenina ny ronono an-tavo: manodoka, mamitaka. Mety ho lainga fotsiny izao aza… Misy tanjona kendrena amin’ny ronono an-tavo. Na ankolaka io na mivantana. Ny resaka sy ny kabary […]

Trano atsimo sy avaratra …

  Miharatsy andro aman’alina ny fiarahamonina iainan’ ny Malagasy ankehitriny. Tsy mahagaga raha mirongatra ny olona mikorontan-tsaina ka «mivaha» ara-bakiteny. Mampatahotra ny mivezivezy eny an-dalana. Aiza koa misy izany mivazavaza tampoka sy midaroka eny imasom-bahoaka. Mainka zava-doza ny any anaty fitateram-bahoaka, tsy tohinina avokoa ny olona. Mila mitandrina mba tsy […]

Ho raikitra amin’izay!

  Izay vao mazava ny lalan-komban’ilay firenena mala­gasy! Hivoaka ny volabe hoentina manatanteraka ny fifidianana. Miandry ny datin’andro fiantsoana ny mpifidy ny rehetra dia raikitra ny lalao. Mahatratra 2 tapitrisa Euros ny mety homen’ny Frantsay sy ny Vondrona eoropeanina. Mazava be rehefa mipotsaka ny mpiara-miombon’antoka, tsy misy intsony ny mpilalao […]