Tsy misy tsy manaiky amin’izao fa ao anaty fahasahiranana lalina ny vahoaka. Tsy mitsaha-miakatra, ohatra, ny vidim-piainana tsy voafehy, mampanahy be ihany ny famokarana noho ny tsy fahampian-drano… Manginy fotsiny izay efa nisy sy niainana hatramin’izay: tsy fandriampahalemana, tsy fisian’asa… Amin’izany rehetra izany, manararaotra ny mpanao politika sasany amin’ny […]
Indraimbava
Miala tsikelikely
Vita izay ny fifidianana! Afapo ny mpikarakara ka milaza fa hiditra amin’ny dingana manaraka avy hatrany indray. Hojerena manokana hoe ny vakiraokan’ny lisi-pifidianana, izay nahabe resaka teo aloha. Tanjona ny ho fiatrehana ny fifidianana madio amin’ny taona 2028. Amin’izay fotoana izay no hisy fifidianana manaraka indray, handraisan’ny vahoaka malagasy anjara […]
Olan’ny mpanao politika
Tahotra, ahiahy… Izay no rivotra fohina amin’izao? Tsy inona fa ny amin’ny fampiakaram-peon’ny sasany eo am-piandrasana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Hanao ahoana? Tsia, efa azoazo vina ny voka-pifidianana miainga amin’ny vonjimaika navoakan’ny rafitry ny Ceni eny anivon’ny faritany. Ny aorian’ ny fifidianana? Eo ny fisian’ny fanahiana […]
Mitsapatsapa
Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ny fanambaran’ny kolonely iray izay efa mitsoa-ponenana. Nitaona ny miaramila hikomy sy hanohitra ny fitondrana izy. Nanontsana ny mpanao politika ingahy manamboninahitra. Nilaza ho mpanavotra an’i Madagasikara. Namaky bantsilana ny fifanarahana nifanaovany tamin’izany fotoana. Dia toa anjely tsy misy pentina ny filazany azy. Manolona izany, namaly […]
Iri-mahaory
Nijohy tokoa moa izany raorana tao anatin’ny andro vitsy, teto an-drenivohitra. Velombolo aoka izany ny olon-drehetra. Mba nionona tamin’ny kitatitaty rano amin’ny bidon sy ny sinibe. Niala tamin’ny filaraham-be tsy nahitam-bokany. Migalabona aloha raha rano hosotroina, ny handrahoana sy ny handroana. Raha milaza fa sahirana ara-drano dia efa mandainga sy […]





