Andro vitsy mialoha ny hankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena sy ny politikan’i Madagasikara, andao mba hiresaka momba ny fahaleovantenan’ny tsirairay. Miainga amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona sy ny tokantrano ary ny fiarahamonina no maha firenena ny firenena. Inona anefa no teboka tokony horesahina ? Valiny : tsy misy afa-tsy ny tsy fiankinan-doha momba ny toekarena […]
Indraimbava
Ady fiady !
Mihazakazaka mamoaka « dosie » na ireo karazana herijika hoenti-manimba ny mpifanandrina ny mpanao politika. Nahoraka ny resaka zom-pirenena, omaly. Manangona porofo ireo milaza ho afaka manao izany. Tonga hatramin’ny fampitandremana isan-karazany. Lasibatra izay nangataka zom-pirenena vahiny, tsy nandova ny razambeny. Tanjona ny hanalana ireo mitazona andraikitra sy ny hanakanana azy […]
Ho raharahabe !
Nahoraka ny tositosika sy ny fifanasana vangy, ary niafara tamin’ny fianjerana mpitandro filaminana, nataon’ny mpanao politika iray, tany Morondava, ny faran’ny herinandro lasa teo. Niteraka fanehoan-kevitra samihafa izany. Andaniny, nisy ny nankasitraka sy nipao-tsatroka tamin’ny fahasahian’ingahy depiote nijoro tamin’ny heviny. Raha ny fantatra manko, efa nahazo alalana izy ireo hanao […]
Kirizim-pitokisana lalina
Mangingina ny tanàna, tsy hay mazava izay fonosiny. Tsy mbola mamerovero toy ny mahazatra ny asaramanitra. Tsipoapoaka manako tsindraindray no manamarika fa manakaiky ny fetin’ny 26 jona. Ilay fananganan-tsaina isan-tokantrano tsy hanaovana resabe intsony, efa toy ny tsy misy. Zary very tanteraka ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahaiza-miaina mifanaraka amin’izany. Nofinofy […]
Fandinihan-tena amin’izay atao izao
Hanao ahoana ity raharaham-pirenena ity? Mampanontany tena ny sasany, mampiroaroa saina, mampanahy… Hisy ihany ve, ohatra, ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity? Na hiditra amin’ity hoe Tetezamita… Tsy ampy ny fanazavana? Na tsy maharesy lahatra, tsy arakaraka ny zava-misy sy ny atao izay lazaina… Lasa mahabe resaka amin’izao ny […]