Indraimbava

Ambato bevohoka

  Tena natao ihany ny tsy hiteny ny mahakasika ity fidorohana zava-mahadomelina eto an-dRenivohitra ity. Miverina mahazo vahana izany, ankehitriny. Ny tena mampalahelo, toa mipetraka hatrany ilay kolontsaina tsimatimanota. Iza no tsy mahalala ny sakeli-tanàna ivoahan’ny “môly” sy ny “rôrô”? Iza amin’ny lehiben’ny mpitandro filaminana na mpanao politika eto amin’ny […]

Vahoaka ramaka !

  Soa ihany ! Anatin’ny fototra ijoroan’ny fanjakana ny fanatsarana sy ny fandraisana an-tanana ny sosialim-bahoaka. Porofon’izany ny be midina notarihin’ny filo­han’ny Repoblika teny an-kianja omaly. Namaky lay ny tetikasa iray ho fitsimbinana ny tokantrano tena marefo izy. Tsy hijanona ho an’ny mponin’Antananarivo irery izay, fa hipaka hatrany amin’ny renivohi-paritany. […]

Malalaka ny safidy

  Herinandro katroka, amin’ny heriny anio no hisafidy izay ho ben’ny Tanàna ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy. Efa samy vonona ny mpilatsaka hofidina sy ny mpanohana azy. Mitohy anaty filaminana ny fampielezan-kevitra, amin’ ny ankapobeny. Ny fifampihantsiana am-bava no maningantsingana eny antsefatsefan’ny fanehoan-kevitra eny. Taratry ny demokrasia daholo izany! […]

Mila samy mitandrina

  Efa avy matetitetika izao ny orana. Manomboka mahavelombolo ny mijery ny manodidina ny Renivohitra. Miverina mihamaitso tsikelikely ny tampon-kavoana avy nodoran’ireo tsy mataho-tody. Manomboka mikoriana ny rano avy any an-tampon-tendrombohitra isan-karazany. Miakatra tsikelikely ny loharano izay efa kina tanteraka nandritra ny volana vitsivitsy. Eny e! mbola manjavona aloha ny […]

Dombon-dranitra

  Fifanenjanana, fifanenjehana… Izany no afitsoky ny mpirotsa-kofidina sasany amin’izao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana kaominaly izao. Ho tonga hatraiza? Misy tonga amin’ny fanaratsiana, fankahalana, fanapempoana… Ny fanaratsiana ny hafa no hahatsara endrika ny tena? Eo ny vahoaka hitsara… Nefa tsy tsangan’olona no tokony hotsaraina amin’izany. Fa foto-kevitra, vinam-piarahamonina, fandaharanasa, fomba fiasa… […]