Indraimbava

Miandry voandalana tsara !

Any Lafrantsa indray ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Tsy re tsaika ny fiaingany. Tsy mba nolazaina mialoha, toy ny mahazatra ny fandaharam-potoanany, raha tsy efa any an-toerana izy. Na izany na tsy izany, zava-dehibe ho an’ny hoavin’i Madaga­sikara sy ny tontolo politika no nandehanany any. Tsy azo tsinon­tsi­noavina rahateo ny fifandraisana […]

Krizy lalina

Mampalahelo ny zava-misy eto Madagasikara. Manom­boka eny ifotony rehetra eny ny olana mipaka amin’ireo heverina ho lohan’ny firenena. Taiza sy oviana no nisy izany hoe tsy mifanome hasina intsony ny andrimpan­jakana. Tsy tahotra tsy henatra, imason’olon-tsotra, ivelan’ny rafitra sy ny mpanao gazety, no mifandramatra toa zaza mifana­rakaraka ireto olom-boafidy. Efa […]

Ilaina ny fandinihan-tena

Trangam-piarahamonina iray nanaitra tamin’ity herinandro ity no andeha horesahina. Miditra anatin’ny vanim-potoanan’ny fanadinana ny ankamaroan’ny sekoly, indrindra ny sekoly tsy miankina. Misy amin’ny mpianatra anefa no tsy afaka niatrika izany noho ny antony samihafa. Antony iray tena nanaitra no hasiana tsindrim-peo: ireo ankizy navoaka ny efitrano ka nalefa nody, satria […]

Tan-dalàna

Tsy mbola mifarana akory ny fanadihadiana ataon’ny fitsarana momba ny raharaha vono olona tany Lalazana ambony ka nahafaty ireo mpanao aferam-bato telo mirahalahy, 10 andro lasa izay. Mbola hisy ny fisamborana andiany faharoa, hakana ireo nandray anjara kanefa nitsoaka rehefa nanao bemidina ny mpitandro filaminana. Miandry ny datin’andro handehanan’ny fitsarana […]

Hajao ny an’ny tena !

Manomboka mivolon’andro asaramanitra ny eto an-tanàna. Mihatomotra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Efa manakoako ny tsipoapoaka. Manomboka mihofahofa ny sainam-pirenena na tsy mbola marisika amin’ny fananganana izany aza ny maro. Eto indrindra no mba hisintonana ny sain’ny olom-pirenena tsirairay. Taratry ny fitiavan-tanindrazana ny fananganan-tsaina, fanehoana ny maha izy azy, ilay […]