Roa volana izao no nanjavona tsy hita ny Lehiben’ny delegasiona manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy hita popoka ilay ranamana izay noheverina fa niangaran’ny vintana sa tena nanam-bintana raha samy tandapa. Tsy misy vaovao ofisialy momba azy kanefa dia vanim-potoana tena ilana azy indrindra izao. Lasa mihazoazo ilay fitantanana ny […]
Indraimbava
Ho lalao henjana !
Raha mahoraka ny fananganana governemanta, tsy azo atao ambanin-javatra ny mahakasika ny fifidianana ny ho ben’ny Tanàna. Indrindra ny eto an-dRenivohitra. Mbola malaza ho “favori” ny antokon’ny filoha teo aloha na ny Tiako i Madagasikara. Porofon’izany ny nahazoan’izy ireo toerana maromaro teto anivontany nandritra ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy midika […]
Olona olana
Famatsian-jiro sy rano, vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite… Inona koa? Anisan’ny olana miverimberina hatramin’izay ireo, efa an-taona maro. Mandra-pahoviana? Manginy fotsiny ny olana raiki-tampisaka amin’ny sehatra na faritra sasany: tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’asa… Misy koa ny olana tsy misy mpihaino na mpiraharaha; eny, na misy aza, ohatra, […]
Mila vonjy !
Mihazakazaka ny fihodin’ny ora sy ny minitra. Tapitra sahady ny fotoana fialantsasatra ho an’ny mpianatra. Herinandro sisa dia hiverina an-dakilasy ny kilonga madinika sy ny zatovo. Ho raikitra indray ny henjikenjika arahin-tosika ho an’ny ray aman-dreny. Fomba fiteny ihany izay! Iaraha-mahalala fa ady goavana tsy nahafahana mandrimandry ny fampidirana […]
Tic …Tac…
Mazava iny ny resaka avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Efa andro vitsivitsy sisa andrasana amin’ny famoahana an’ilay governe…manta tsy mety masaka. Mba tsy ho manta mohaka rahateo, naka fotoana maharitraritra mihitsy ny mpiketrika nandrosoana ny afo. Efa eo am-piandrasana ny vary ho manitra ny olon-drehetra. Sasa-miadry ny mpandoatra sy ny handoarana. […]




