Indraimbava

Mandini-tena sy mijery lavitra

Mikatona anio ny volana faha-11 amin’ny taona. Hiditra amin’ny faran’ny taona isika. Inona no mba vita? Inona no mbola miandry? Mankaiza ny lalan-kizorana? Santionan’ ny fanontaniana manitikitika ny aty fanahy izany. Indrindra ho an’ny isam-batan’olona manam-panahy, tsy resin’izay adim-piainana izay. Vanim-potoana hametrahana fanamby vaovao izao, ankoatra ny fisaorana an’ilay mpahary […]

Isika samy isika ihany

  Hampiantrano fifaninanana ara-panatanjahantena iraisam-pirenena lehibe miisa roa i Madagasikara, amin’ity faran’ny herinandro ity. Taratry ny firoboroboan’ny tontolo iray, hany sehatra mampiray ny vahoaka malagasy, ny fa­natanjahantena. Tsy mikely soroka ny filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny Fanatanjahantena amin’ny fitadiavana ny hirika hampivelatra izany. Mba misy ihany ny zavatra tsara […]

Mitazam-potsiny

  Sanatrian’ny vava hoe tsy misy zavatra mandeha akory eto amin’ny firenena ka miiba hatrany ny fama­kafakana. Maro ny ezaka vitan’ny fitondram-panjakana, indrindra ny lafiny foto-drafitrasa. Singa iray mariky ny fampandrosoana nilokalokana ireny. Ilaina ihany koa mba ho fampirisihana ny Malagasy ho mpanangana fa tsy mpandrava. Hambolena ny toe-tsaina manorina […]

Tsy mila mandrimandry

  Miditra amin’ny herinandro faharoa isika amin’ny fampielezan-kevitra. Samy manao izany ho afany ny mpanohana. Efa maresaka ery ny tanàna. Manakoako ny mozika sy ny hira faneva, miharo fanentanana amin’ny fiara mamakivaky ny arabe, na an-drenivohitra na ambanivolo. Samy manasongadina ny azy. Paikady tsara sy mahomby rahateo ny fanason­gadinana ny […]

Mba misy ho sahy ve?

Ny faha-22 ny volana novambra lasa teo no tapitra ny 100 andro nilokalokan’ny minisitra isan-tsokajiny fa hitondra fanovana goavana ho an’ny vahoaka malagasy izy ireo. Vani­nandro nihanianana ampahibemaso fa raha tsy mahavita izay nolazaina dia azo esorina na hanala tena? Efatra andro izay no lasa tsy mbola naheno siosion-dresaka aloha […]