Hisasaka sahady ny taona. Miditra volana fahadimy amin’ny taona isika zanak’olombelona. Volana masina, hoenti-midera an’i manome hasina an’i Masina Maria renin’Andriamanitra, hoy ny mpino katolika. Volam-piotazana, fiakaran’ny vary kosa ho an’ny faritra ambanivohitra maro, manerana ny Nosy. Volam-pararano e! Volana tena ho zina tokoa raha izay no ho zohina. Izany […]
Indraimbava
Samy miaro ny rambony
Iray volana karotra omaly ny daty hanatanterahana ny fifidianana depiote eto Madagasikara. Samy efa manovokovoka amin’ny vakilain’ny fampielezan-kevitra avokoa ny kandidà sy ny mpanohana. Ny sasany aza efa tsy mahatsapa tena intsony hoe mbola afaka herinandro vao misokatra ilay andro malaza. Tsy mahagaga anefa izany, efa fomba fiady eto […]
Fifidianana… tsy ifamitahana
Amin’izao fifidianana izao, tsy misy hadino ny vahoaka eny anivon’ny distrika; eny, na ny eny amin’ny kaominina aza, angamba. Ataon’ny mpirotsa-kofidina izay fomba rehetra hahazoana ny fo sy ny vaton’ ny olom-pirenena: fampanantenana hanao an’itsy na iroa, na tsy asan’ny depiote aza, ohatra, ny manao fotodrafitrasa. Tsy firy no […]
Tsy hananam-piry ny aina
Olam-piarahamonina iray, mampikaikaika ny maro ny mahakasika ny fahasalamana. Tsy zakan’ny tsena, ara-bakiteny, ny saram-pitsaboana sy ny vidim-panafody. Aza marary ihany! Fa rehefa tsy manam-bola dia ny aina no manefa. Tsy misy fitsetserana sy fihantrana izany raha mbola toeram-pitsaboana. Na miankina, na tsy miankina amin’ny fanjakana dia vola ihany […]
Aza fatra-pitsetsitra loatra!
Mandeha ny asa! Mitohy ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony, mandeha ny fidinana ifotony tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Manao ranolava ny fahatongavan’ ny vahiny, manasonia fifanaraham-piaraha-miasa. Mandeha tsikelikely eny ny zava-drehetra! Tsy natao hampilavo lefona rahateo ny sedra maro isan-karazany, izay lalovan’ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy. Iarahan’ny rehetra mizaka ny […]




