Vao mihiratra ny voamaso ny maraina dia karazan-doza no mandrakotra ny tambajotran-tserasera. Maty etsy, mitsirara sy maratra eroa. Manginy fotsiny ny loza voajanahary izay mampitondra faisana ny tsy manan-tsiny. Miraradraraka ny ra! Izay tsy manan-katao hitsaboana dia manampy isa ny maty tsy tra-drano. Hatreto, tsy mbola misy andro mihiratra […]
Indraimbava
Mamono lolo
Mahasanganehana ny zava-misy any ambanivohitra rehetra any, ankehitriny. Manjaka ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa. Manao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy. Ny mpitandro filaminana indray sanatrian’ny vava no atody miady amam-bato. Sodokan’ny ranty an-tanàn-dehibe Ramalagasy. Fiara tsy mataho-dalana am-polony, kamiaobe tsy tambo isaina no mifanaretsaka rehefa misy seho iray. […]
Mitsangana amin’ny mety
Vita iny ny fankalazana ny fetin’ny Paka. Nitondra inona eo amin’ny fiainan’ny tena na ny tsirairay? Mba tsy hoe mahazatra na fombafomba, na sanatria tsy nasiana heviny sy tsy nomen-danja fa mandeha ho azy. Mandeha hatrany ny fiainana… Mby aiza? Fitsanganana tamin’ny maty ny hoe Paka. Mba misy koa […]
Mitomany ny tany
Mampalahelo ny zava-misy iainan’ny mpiray tanindrazana manerana ny Nosy. Dibo-drano, rava fananana, mitoka-monina ireo nolalovan’ny rivodoza Gamane. Misy ny namoy ny ainy, teo ireo nilaozan’olon-tiana tampoka. Mifanindran-dalana amin’izany, ny faritra hafa, izay handihizan’ny olon-dratsy. Fongana anatin’ny indray mipi-maso ny fananana nohariana aman-taonany. Firifiry no namoy ny aina ihany koa […]
Tia tanindrazana hoe ?
Hanamarika ny andron’ny 29 marsa isika eto Madagasikara rahampitso. Andro manan-tantara tokoa mahakasika ny fiainam-pirenena sy ny tontolo iainan-dRamalagasy, ankehitriny. Tolona izay voalaza fa nanafahana teo ambany vahoan’ny mpanjanaka. Tolona namoizana ain’olona amana hetsiny. Tolona manamarika ny fitiavan-tanindrazana « tena izy ». 77 taona aty aoriana, manao ahoana ny […]




