Indraimbava

Zatra notoloram-potsiny!

  Ohatra ny mangingina hafahafa izany ny eto an-drenivohitra. Mazava toa manjombon-dava. Tsy hita faly na tomany ny tanàna. Hazakaza-dava ny an’ny mponina izay tsy hay hoe mankaiza. Ny mpatory an-dalana sy ny vahoaka mihasahirana no mihamaro an’isa eny rehetra eny. Ny loto sy ny fahantrana toa mpisakaiza tsy afa-misaraka […]

Hangotraka ny raharaha !

  Vaovao iray nandrasana, omaly, ny mahakasika ilay vovonana goavam-be, iraisan’ny mpanohana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Vovonana mamory vovonana iraisan’ny fikambanana marobe, voalaza fa manohana fitondrana. Naharitra ela ny fiandrasana an’Ambato­bevohoka. Tsy nisy indray aloha ny anaran’izay olona hisafidianana amin’ny 29 mey ho avy izao. Vao ny ranon-dohany indray […]

Miova raha te hanova

  Ady saritaka ny eny anivon’ny vondrona na antoko politika amin’izao? Amin’ny hoe: iza no harotsa-kofidina ho solombavambahoaka, iza no mety hofidin’ny vahoaka ifotony, iza no azo antoka fa tsy hivadika… ? Ady fiady izay, fa samy te ho lohany. Izay hahazoana toerana maro eny anivon’ny Antenimierampirenena amin’izao no kajikajina […]

Hentitra fa tsy henjana!

  Nanaitra ny nahita ny hetsika nataon’ny mpiasa mpandraoka fako eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly tolakandro. Tampoka teo niara-nihetsika tamin’ny tanàna maromaro izy ireo. Mazava ny fitakiana, fandoavana ny karamany nandritra ny folo andro, nanaovana ilay hetsika nampanantenain’ny filohan’ny delegasiona manokana. Lasa tokoa izay ny folo andro, miandry ny […]

Raikitra amin’izay !

  Mihazakazaka ny toe-draharaha mahakasika ny fifidianana. Raikitra amin’izay ny lalao. Efa mivoaka ny fitsipika sy ny isan’ny olona ho raisina, hiakatra eny ambony kianja. Nampitomboina mihitsy aza izany mba hahafahan’ny distrika isanisany hisitraka ny tombontsoa sahaza azy. Ho mpisolovava rahateo izay ho lany « match » sy ho lany ka samy […]