Nivoaka izy io ! Tsy niandry izay faran’ny herinandro, araka ny nambara ombieny ombieny. Tafapetraka ny lehiben’ny governemanta izay kapiten’ny ekipa mpanatanteraka miara-misalahy amin’ny filohan’ny Repoblika. Andrasana ny mpilalao hiakatra kianja, hanatevin-daharana azy ireo. Manomboka ny fifantenana na efa heno mialoha aza ny fisian’ny lisitra natolotry ny mpanohana isan-tsokajiny. […]
Indraimbava
Maloto fisainana
Raikitra izy ity ! Efatra andro aorian’ny fiandohan’ny taona, miverina tsikelikely amin’ny fanao mahazatra Ramalagasy. Manomboka ny ankisisika fiara fitateram-bahoaka. Miverina ny varotra amoron-dalana. Mamonjy ny birao fiasany ny mpiasam-panjakana. Samy mamikiviky mamita izay iraka ankinina aminy. Samy milofo amin’ny anto-pivelomany, ahitana izay hatokon’ny ankohonany. Mazava iny ny an’ny mpitondra […]
Vonon-kiady !
Vita izay ny fety ! Hiverina amin’ny fiainana andavanandro ny isan-tokantrano. Hiroso tsikelikely amin’ny fanatanterahana ny vina sy ny fanamby napetraka ny fitondram-panjakana vao voafidy. Efa nivoaka tamin’ny fahanginany iny ny filohan’ny Repoblika. Mazava ny teny nataony fa tsy maintsy tazomina ny vava navoaka, indrindra mahakasika ny fampandrosoana an’i Madagasikara. […]
Taom-panambinana
Arahaba soa, arahaba tsara mahatratra ny taona vaovao. Amin’ny toy izao, mandeha ho azy ny firariantsoa: hitondra soa sy fanambinana ny taona vaovao, ho taon-jina… Nefa tsy ny taona vaovao no hitondra inona, fa ny tsirairay arakaraka izay ataony sy vitany no mitondra soa sy fanambinana amin’ny taona vakivakiana. […]
Lesoka fakana lesona
Andro iray sisa dia hivalona tanteraka ny taona 2023. Taona izay nisehoan-draha maro teto Madagasikara. Nisy ny nahafinaritra sy ny nahasoa. Tsy takona hafenina kosa ny ngidim-piainana izay tena niantraika hatrany anaty vilanin-dRamalagasy. Tena taonan’ny fahantrana faobe sy fijaliana nihoapampana izany ho an’ny sarambabem-bahoaka. Mampieritreritra! Etsy ankilan’izay, tsy azo odian-tsy […]





