Indraimbava

Banja malalaka

  Ohatra ny mafampana hafahafa izany ilay toe-draharaha politika amin’izao fotoana izao. Inona ny zava-misy marina any ambadika any? Izay no fanontaniana mivoaka am-bavan’ilay Malagasy manara-baovao. Tsy mahasakana azy hanaraka ilay raharaha politika ny fahantrana mikiky ny andavanandrom-piainany. Hatreto, tsy misy mahay izay zava-dalina fonosin’ireto karazana fanambarana miseholany etsy sy […]

Misy farany  

  Fomba fiaina tena mamorika ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao ny fizahozahoana sy ny fanaovana kely tsy mba mamindro. Tsy mifidy sata na saranga fa dia samy manampatra ny heriny raha vantany vao mahita hirika hamelezana. Tena mampalahelo ny toe-javamisy. Mireha­reha ny tompon’ny hery, voambaka ny manam-panahy. Very tanteraka ny […]

Fanina sy valalanina

  Mifamahofaho ny raharaham-pirenena raha zohiana lalina. Mipoipoitra ny toe-javamisy hafahafa. Tsy mazava ny tian’ny sasany havoaka sy hapoaka eto amin’ny tany sy ny firenena. Mifampiampanga ny samy henjana. Mifanilika andraikitra ny samy tompon’ny hery. Ny tena zava-doza, ilay vahoaka tsimandadiharona no fanina sy valalanina. Inona no tiana hahatongavana, maninona […]

Tsy hita be ihany!

  Anisan’ny hanamarika ny faran’ity herinandro ity ny fivoahan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fahanginany ka hitafany amin’ny vahoaka malagasy. Tsy mbola misy mipika aloha ny ho vontoatin-dresaka fa ny azo ambara, efa maromaro ny lohahevitra azo vinavinaina. Betsaka rahateo ny vaovao mila fanampim-panazavana amin’ny fitondram-pan­jakana izay tarihiny. Tsy sanatrian’ny vava anefa […]

Samia mitandrina

  Mandriaka ny ra manerana ny Nosy. Misy ny matin’ny lozam-pifamoivoizana, misy ny maty noho ny ankasomparan’ny sasany, eo no tapitr’andro ara-boahajanahary. Mahavalalanina ny zava-miseho. Tampokampoka eo, feno filazana manjo ireo tambajotran-tserasera. Ekena fa hoe, tsy misy maty tsy amin’ny lerany izany saingy tsy maintsy lasa ihany ny saina, mirohirohy […]