Indraimbava

Toe-tsaina sy zava-misy

  Mandela ny fotoana… Mby aiza ho aiza ny hoe fanavaozana? Ny vahoaka no mahatsapa izay iainany: efa misy fiovana sy fihavaozana? Eo ny tsy fandriampahalemana, manampy trotraka ny fahaverezana sy fahafatesana olona etsy sy eroa. Eo koa, ohatra, ny fiatrehana ny vidim-piainana. Miara-dalana amin’izany ny tsy fisian’asa, ny ady […]

Mahoraka ny tanàna

  Tanàna maro manerana ny Nosy no mandray hetsika nasionaly amin’izao vanim-potoana fialana sasatra izao. Maresaka ny tanàna. Fety etsy, fety eroa. Samy manala azy araka ny fitenin-jatovo. Toa tsy ahitana taratra akory ny maha firenena mahantra indrindra maneran-tany azy. Tena hadino ny adim-piainana fa mitobatobaka ny fandaniana. “Ambiansy mafana” […]

Vahaolana haingana

  Asa aloha raha ahavaha olana izy ity na ahoana ? Vita hatreo aloha ny fanambatambazana ny mpamatsy vola mahazatra. Ny resaka mahakasika manokana ny angovo no tiana asian-dresaka. Efa nahoraka sy narantiranty tamin’ny tambajotran-tserasera omaly, fa tonga ny sambo, nitatitra solika ho an’ny orinasa Jirama, Madagasikara. Nomena alalana ny […]

Ho ravana, tsy ho ravana !

  Tena tsy misy andro angamba eto Madagasikara mba hampitsahatra ny resabe politika. Nanaitra ny fahitana vaovao niely omaly, mahakasika ny Antenimieram­pirenena. Nahoraka ny filazana fa ho ravana ny Antenimierampirenena. Nalaza fa misy volabe amina miliara mihodinkodina any. Samy nivoy izay tiany ho voizina daholo ny olon-drehetra na ny tanora […]

Tsy hifandimby any am-ponja

Lasa nikopak’elatra any ivelany indray izany ny filoha sy ny delegasionina tarihiny. Nahazo fanasana manokana mihitsy izy amin’ny fety aman-danonana izay ho hatrehiny. Mazava ho azy fa fankatoavana tsy misy mihoatra izany. Manana ny toerana maha izy azy ny mpitondra malagasy. Manana ny lanjany diplaomasia an’ny Malagasy. Heni-kaja heni-boninahitra ny […]