Manomboka misokatra tsikelikely amin’izao fotoana izao ny varavarana ho an’ny ankolafin-kery rehetra te hanohana ny fanavaozana tena izy. Efa hita taratra manodidina an-dry zalahy henjana ny ankamaroan’ny olona niloko ilay volom-boakazo, kanefa voahilika nialoha ny fotoana. Ny tale sasany niova minisitera, ny hafa nahazo toerana tsy lavitra ny mpandoa-bary. […]
Indraimbava
Ho raharaha izy ity
Mangingina, misoko miadana toa ron-gisa ny kajikajy politika anatin’ny tsy fisiana etika, amin’izao fotoana izao. Manomboka mivoaka tsikelikely ny adilahy madinidinika any anatin’ny antoko, fikambanana sy rafitra isan-karazany. Tsy hoe samy te ho lohany, fa misisika ny ho akaikin’ny tompony. Mihamazava ny lalan-kizorana ho an’ny efa galifantsy sy ampy […]
Ny omaly tsy miova
Niaraha-niaina tao anatin’ny andro maromaro ny fiavian’ ny orana. Manomboka miseholany ny rano mivangongongongo etsy sy eroa. Efa mimenomenona ny ankamaroan’ny mponina eny amin’ny faritra iva. Manomboka miboiboika avy any anaty lakandrano ny rano maloto sy ny karazan-doto. Ny eny amin’ny tsenan’Andravoahangy, ohatra, miverina tsikelikely ny manainga zipo sy […]
Fanavaozana izao…
Nampiaka-peo ny vovonana politika iray izay fa fahaliam-pahefana sy fitadiavan-toerana ary tombontsoa manokana, hono, no mampihazakazaka ny antoko politika sy ny mpanao politika amin’izao fotoana izao; eny, na tamin’ny fakan-kevitra hanomanana fifidianana aza. Ary ry zareo miteniteny izany mba ahoana? Mitaky rafitra Tetezamita fotsiny izao. Tsy inona fa fandravana […]
Ataovy matotra raha ity !
Andro manan-tantara eto amin’ny tany sy ny fanjakana, omaly. Nitsingerina ny andro nandrombahana fahefana. Fanovana no nilokalokana! Nifanome toky fa handrava efa ny rehetra satria leo ny fitondrana teo aloha. Nanomboka nipoitra ny anaram-petaka ofisialy fa forongony izao ka hatao hazalambo. Samy nanantena zava-dehibe sy fahagagana tsotra izao. Resy […]





