Indraimbava

Tora-bato avy any an-danitra

Tratry ny tampoka, tsy nahalehilahy ny mponina teto Antananarivo sy ny manodidina, omaly atoandro.  Lanitra mazava, masoandro miposaka nosembantsembanan-drahona madinika nanamarika ny volon’andro ririnina. Tsy rony tsy ventiny, nirotsaka tampoka ny orana natevintevina, namorona fitohanan’ny fiarakodia teto ampovoan-tanàna. Nivadika ho kotro-baratra tsy ankijanona mandrak’alina. Nampiitatra ny fahatapahan-jiro lavareny na ny […]

Matoky tena, mizara fahefana !

Sambany tao anatin’ny dimy taona nitondran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry no nisafidy ny nampita andraikitra tamin’ny mpiara-miasa aminy izy. Iraka no nandray ilay amboara goavambe azony tany Afrika, mahakasika ny fananganana fotodrafitrasa na ny “Super Prix Grand bâtisseur-Trophée Babacar Ndiaye 2023”. Sady zava-dehibe ho an’ny tenany manokana no reharehan’i Madagasikara, saingy […]

Fampandrosoana mifameno fa tsy mifamono

Efa nasian-teny teto… Tsy mampaninona ny mamerin-teny, tsy mandreraka, tsy mankaleo. Mamerina indroa, manana ny antitra. Tsy inona fa ny amin’ny hoe ho an’ny olona rehetra sy ny olona manontolo ny fampandrosoana. Raha tsy izany, mandringa ihany. Mby amin’ny hoe mankany, mankany… Mankaiza? Mankaiza tokoa izao ny hoe fampandrosoana miainga […]

Tomponandraikitra… tompon’antoka voalohany

Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, fihanaky ny zava-mahadomelina, fanaovana kolikoly, ady tany, fisolokiana, fanambakana… Inona koa? Miseholany etsy sy eroa ny karazana fahalovana eny anivon’ny tokantrano, fiarahamonina, faritra… Tsia, tsy hoe ny lafiratsin-javatra ihany no ndeha hovisavisaina sy hotanisaisaina, hojerena sy hasongadina. Eo indrindra koa ny lafintsaran-javatra, be lavitra no ho […]

Misy ny tsirim-panantenana

Maresaka indray ny tanàna eto an-drenivohitra. Mampi­an­trano vahiny manan-kaja maro i Madagasikara tamin’ity herinandro ity. Mahoraka ny hetsika goavana momba ny hai­kajy mirindra. Firenena afrikanina maro no nahatonga solon­tena. Tsy ambakan’izany ny lalaon’ny Nosy. Efa eto Madaga­si­kara, manao fanadihadiana farany ny vaomiera miandraikitra izany aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Iaraha-mahita fa […]