Miaina anaty voina tanteraka ny tapany avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy iny, nanomboka omaly. Tsy mbola afa-bela amin’ny rambon’ny rivodoza Cheneso. Mitohy ny ora-mikija, miakatra izaitsizy ny renirano marobe any an-toerana. « Dobo » araka ny fitenin’ny mponina any an-toerana ny tanàna, izany hoe, tratran’ny tondra-drano. Betsaka ny fianakaviana mihitsoka an-trano, maro […]
Indraimbava
Misafotofoto
Miditra an-tanety anio ny rivodoza Cheneso. Efa misamboaravoara ny ranomasina. Misafotofoto ny rivotra. Mikija ny orana, indrindra any amin’ny tapany avaratra atsinanana sy atsinanan’ny nosy. Aty an-drenivohitra aza, vao maraina efa misy ny tsiotsio-drivotra hafahafa izany, hatry ny omaly. Midika izany fa mafimafy ny rivotra entiny. Ahiana ho ratsy ny […]
Samy tomponandraikitra
Raha ny fivoaran’ny toetr’andro ratsy, efa manambana antsika mianakavy ny loza maro isan-karazany, ateraky ny ora-mikija. Mbola tsy rivodoza akory aza omaly, efa dibo-drano ny tao Toamasina an-tampon-tanàna. Toraka izany ny any amin’ny faritra Sava, izay efa nakatona ny sekoly sasantsasany ho fisorohana ny voina mety hanjo ny ankizy. Samy […]
Ratsy andro…andro ratsy
Misasaka sahady ity ny volana janoary. Volana izay heverina ho sarotra sy tsy mora ialana, indrindra ho an’ny sarababem-bahoaka. Henjakenjana ho an’ny mivelona amin’ ny karama isam-bolana sy ny karama isanandro. Hatramin’ izao tsy mbola misy fofom-bola manimanitra ho an’ny mpiasam-panjakana. Efa mahazatra ihany ny fahatarana fa amin’ ity indray […]
Mamono afo
Mirehitra ny afo, matoa misy mamono afo. Izay ny toe-draharaha etsy sy eroa, tsy hita be ihany amin’izao? Eo ny tsy fandriampahalemana efa ho lava, tsy mampatoky tena sy mila tsy ifampatokisana. Hatramin’ny olona ampiasaina na namana avy izao no misy mivadika, manoro hevitra na miray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy. Manahirana […]




