Indraimbava

Governemanta… masaka

Amin’izao toe-draharaham-pirenena izao, tsy azo ihodivirana ny fanovana na fanamboarana ny governemanta? Ho hita eo… Governemanta masaka amin’ny resaka etsy sy eroa ny amin’izao? Indrindra taorian’ireny fanangonan-tsonian’ny depiote sasany hangatahana fanaovana latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny governemanta ireny… Na ny mpiray donak’afo aza, nisara-kevitra be ihany tamin’iny raharaha iny. Efa nilamina? Na […]

Manezaka kely

Anatin’ny maitsoahitra tanteraka isika. Tena mampikolay ny vidim-piainana, indrindra ilay foto-tsakafo mampiavaka sy mampalaza antsika maneran-tany dia ny vary. Nikaikaika ny mponina, tsy ny an-tanàn-dehibe ihany, fa hatrany ambany ravinahitra rehetra any. Tsy mampino hoe, any ambanivohitra, heverina fa misy ny maro an’isa, amin’ilay 80 % tantsaha no tena voa […]

Mandeha tsy moramora

Miroso tsy moramora ny fanovana. Fanovana inona moa fa ny resaka governemanta. Efa mandeha ny fifanatonana isan-karazany etsy sy eroa. Manomboka ny dokambarotra ireo minisitra amperinasa ataon’ny mpikaraman’ady eny amin’ny tambajotran-tserasera. Mifanindran-dalana amin’izay koa ny fanaratsiana sy ny fandrimpandrika madinidinika. Samy manao izay ho afany na ny mpanohana na ny […]

Mahaiza maka lesona

Ô rey olona e ! tsy mivalona akory ny herinandro voalohany amin’ny taona, olona miresaka miaraka amin’ny onja miiba sy saina « ratsy » no henonao eny rehetra eny. Mahasadaikatra ny hiresaka ilay izy, kanefa nahavoa hatrizay io fanarontsaronana ny zava-misy sy ny loza manambana na mitatao amin’ny fiarahamonina io […]

Fidirana politika izao…

Mandritra ity volana ity, fifampiarahabana sy fifampirarian-tsoa hatrany. Arahaba soa, arahaba tsara. Mbola ao anatin’ny hoe fiatoana sy fitoniana politika ve izany? Voalazan’ny mpan­dinika sasany fa misy sy iainana hatrany ny hoe politika. Tsy azo avela ny fitondrana firenena, fitantanana tanàna… Ny politika mitondra amina adilahy no hoe tokony hatsahatra, […]