Indraimbava

Misosa moramora

  Mandeha miadana ny fampielezan-kevitra manerana ny lafivalon’ny Nosy, indrindra ho an’ny kandidà telo. Eny an-kianja, manohy ny fandresen-dahatra ny mpifidy ny laharana faha-3 sy ny faha-11 ary ny faha-13. Samy amin’ny paikadiny izy ireo. Raha Manao be fiavy amin’ny seho an-tsehatra sy famoriam-bahoaka ry Randria­nasoloniaiko Siteny sy Rajoelina Andry, […]

Vilam-bava!

Mampametra-panotaniana tanteraka ny foto-pisainana ataon’ny mpanao politika sasany. Ilay tsy lojika no zary lojikam-piainana eto Madagasikara. Ny marina havadika ho diso, ny mahitsy no lazaina fa mibiloka. Ny mpitarika aza toa mpitari-bato vilam-bava. Mivoy sy mitaky fampiharana lalàna, saingy mandika lalàna mibaribary. Tena manao fa­nahy iniana, sanatria manao fifampihantsiana. Mazava […]

Handrora mitsilany

  Misamboaravoara ilay sambobe antsoina hoe Madagasikara. Tsy hita izay handraisana ny tolon’ilay vondron’ny kandidà 11 sa efa 10 ankehitriny? Ilay iraikalahy, nandeha nanao fampielezan-kevitra, milaza mpikambana feno amin’ny hetsika. Nisalotra lamba fotsy, nilaza fa mariky ny firaisan-kina. Mivoy ilay tsy fitiavam-bazaha ka zary miteniteny foana, toa mandrora mitsilany. Vadim-bazaha… […]

Tsy mandeha ila

Mpandresy ! Mpandresy ! Ambeti-tenin’ny mpanao politika ankehitriny. Mba azon’izy ireo an-tsaina ve anefa ny dikan’izany ? Sao sodokan’ny olona marobe fotsiny ny ankolafin-kery rehetra. Mahavariana ny mahita ny vondrona izatsy na izaroa midehaka fa izahay no nahazaka olona be indrindra. Raha ny hamaroan’ny olona angamba no maridrefy hanaovana tombana, mety lany fihodinana […]

Mila mijery lavitra

  Misy antony sy dikany ary vokany politika avokoa izay atao sy lazaina amin’izao? Indrindra ho an’ireo mpanao politika… Tsy inona fa fihazakazahana amin’ny hahazoana fanjakana amin’ny alalan’ny fifidianana. Amin’izany, misy ny liam-pahefana mihoa-pefy na mihazakazaka ivelan’ny lalana. Izay ny zava-misy sy iainana amin’izao? Misy tonga amin’ny fankahalana olona fotsiny […]