Indraimbava

Hevitra mievotra

  Izay tsy miady, olom-bodo; ny to fo, mamosavy. Ny isavorovoroan-kilantoana. Ny heloka ibabohana, mody ho rariny; ny marina itompoana, mody ho heloka… Inona koa? Heverina ho fahendrena malagasy avokoa izany. Mbola mitoetra sy ekena ho marina ary iainana hatramin’izao? Kibo mitsara tena ny tsirairay. Na izany aza, misy hatrany […]

Tsy any… ny lalana! 

  Mahatonga saina ny zava-niseho omaly, teny Ampasampito. Ny samy olombelona no zary miady sy mifandramatra fa tsy ny hevitra intsony. Aiza ve ka tonga hatramin’ny fananganan-tsandry. Toe-java-misy tsy mifanaraka velively amin’ny Malagasy sy ny hodidina iainana ankehitriny. Politika no hatao, tsy tokony ho tonga hatrany amin’ny fandatsahan-dra na fifandratrana. […]

INDRAY MIJERY

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny habantseranana amin’ny fanafarana avy any ivelany ny pasipaoro miisa 22 000. Torak’izany ny fanafarana fitaovana entina hametrahana ny laboratoara de Science médico-légal numérique (digital forensic laboratory). Ho an’ny minisiteran’ny Mponina, tapaka nandritra ny […]

Tompon-tanàna Hafa raha samy hafa mihitsy ny vahoaka malagasy ! Tsy misy olona mahari-pery sy mahazaka dona mihoatra azy angamba eto ambonin’ny tany. Miezaka ny mitarika sy mandrehitra ny afo ny kandidà 11, fa mbola mizara roa ny hevitra. Tsy vitan’izay fa manana ny antony mbola hidinana an-dalambe izy rehetra. Samy […]

Mahasanganehana

  Mampametra-panontaniana andro aman’alina ny fiainana andavanandron-dRamalagasy. Aleo atao anaty farangososona, anio, ny tontolo politika. Aleo mba hiresaka vetivety ny lafiny sosialy sy ny toekarena isika. Tsy takona afenina intsony fa miaka-bidy andro aman-alina ny vidim-piainana amin’ny sehatra rehetra. Tsy taka-bidy ny vary ho an’ny ankabeazan’ny Malagasy. Tsy natao ho […]