Manahirana ny manao zavatra tsara ho an’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Mampananosarotra ny fitondrana tetikasa ho fampandrosoana. Misy sokajin’olona diso mpihatsaravelatsihy tsotra izao. Milaza fa tia tanindrazana izy ireny amin’ny fanoherana ny fitondrana. Rehefa misy anefa ny manam-piniavana hanao dia mailaka ny vava amin’ny fanatsatsoana. Pingapinga amin’ny fanakiviana! Asa […]
Indraimbava
Voin-kava-mahatratra
Eo amin’ny fiainana, misy ory hava-manana? Tsy iza fa izay tsy mahazaka ny hafa misandratra sy misondrotra. Indrindra izay akaiky ny tena, iray lahatra amin’ny tena na niara-niainga tamin’ny tena, mpifaninana amin’ny tena… Amin’izany rehetra izany, tsy vitan’ny hoe ory fotsiny ny sasany fa mankahala, manaratsy, manao izay haminganana… […]
Tia kely
Nahabe resaka indray, omaly, ny mahakasika ilay resaka fanapoizinana ara-tsakafo tany Mahajanga. Lasibatra tamin’izany ny mpitondra fanjakana ambony, toy ny Filohan’ny Repoblika mivady. Minisitra, loholona, solombavam-bahoaka sy olona manan-kaja maro no narary, raha ny tatitra ofisialy. Nisy ny naiditra hopitaly, nisy ny afaka nanaraka fitsaboana tany an-trano. Manoloana ny […]
Tsy mijery lavitra !
Tena mahakivy sy mahavarina ny mandinika ny fomba fisainan’ny Malagasy sasany, indrindra fa ireo izay nomem-pahefana indramina. Tsy tahotra tsy henatra fa mamotika sy manimba olona ankitsirano, mba hanomezana fahafahampo ny filan-dratsiny. Mihevitra tsy tratry ny aloka sy tsy manam-pahataperana izay zavatra hataony. Trangam-piarahamonina maromaro no ahitana taratra izany […]
Mitandrina hatrany !
Tsy mena mivadika ilay toetr’andro. Raha nigaingaina sy nahazo vahana ny hafanana, tampoka teo: nirotsaka ny orana manerana ny Renivohitr’i Madagasikara. Azo tsapain-tanana ny fiovaovana izay mitondra voka-dratsiny goavana ara-tsosialy sy toekarena. Niria-maha ory tokoa ilay izy. Raha vao manomboka miarina sy manorona indray ny fiainany ny tra-boina, efa […]





