Indraimbava

Tsy mahay tsy…

“Tsy mahay tsy” no niavian’ny hoe “tsy maintsy”, ilazana toe-javatra tsy azo ihodivirana, tsy azo lavina. Amin’izao fifidianana izao, misy ny mpirotsa-kofidina mitompo teny fantatra fa tsy maintsy voafidy, hono. Tsy mahay tsy voafidy izany, na tsy mahay resy. Nefa tokony hahay resy amin’ny latsa-baton’ny olompirenena izay mirotsa-kofidina. Na toy […]

Tsara fiafara

  Hifarana rahampitso ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, atao eto Madagasikara. Nizotra tamim-pilaminana izany tamin’ny ankapobeny. Samy afa-po ny ankamaroan’ny mpandray anjara, indrindra ny vahiny. Marina fa tsy misy ny tonga lafatra, misy ny indro kely saingy tsy nahasakana ny lalao izany. Azo lazaina fa tsara fiafara ny zava-drehetra na […]

Kapa-ranjo

  Ambiansy re izao ! fahafinaretana sy hafalina tsy nisy ohatr’izany ny an’ny vahoaka malagasy, omaly, teny Maha­masina. Niady ny lalao baolina kitra teo amin’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Comores. Nafana ara-bakiteny satria tsy nisy ankitsitsitsitsy izany. An-kamely sy kapakapa ranjo no nandravaka ny baolina enina, fitambaran’ny matin’ny ekipa […]

Doka miabo

  Raha mijery ny zava-misy eto Madagasikara isika, toa tsy misy raha manjary izany. Sahala amin’ny hoe dia mainty avokoa izay jerena. Mena mampatahotra daholo ny famantarana eny amin’ny fiarahamonina. Mahakivy sy mahavery fanahy mbola velona ny fizotry ny raharaham-pirenena. Tsy ampy intsony ny teny hilazana ny faharefoana amin’ny lafiny […]

Valalabe mandry

  Somary mangingina ny tontolo politika. Takon’ny lalaon’ny Nosy. Misoko miadana nefa ny dinika karaka­rain’ny raiamandreny am-panahy, mitady ny fomba hila­minan’ny firenena. Mandeha tsikelikely koa ny kajikajy any ambadiky ny lampihazo. Ny tompom-pahefana, mitety faritra. Ny mpifaninana efa samy misomebiseby any amin’ ny misy azy any avokoa. Tsy misy mampikoropaka […]