Indraimbava

Hotsaraim-bahoaka

  Inona na ahoana koa? Tsy inona fa ny fikitranana lava eo amin’ny tontolo politika amin’izao fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Mahita hokitranina hatrany ny mpisehatra politika sasany; eny, na efa hoe mirotsa-kofidina izao aza. Atrehina ny fanatanterahana fifidianana, fa gidragidraina lava. Izany no matoky tena? Na hoe tsy matahotra […]

Mailo sy malina !

  Vanim-potoana saropady no lalovan’ny firenena ankehitriny. Ilana fitandremana lehibe hatramin’ny vava havoaka. Mahazo vahana ny fanelezam-baovao tsy marina entina hampisavorovoroana saim-bahoaka. Mila mailo amin’izay zavatra ho henoina. Mila malina amin’izay hinoana. Fadiana ny miantoratoraka amin’izay malama vava. Maro no mahasahy mivarotra am-pitsanganana. Malina ihany koa mahakasika ny tsy fandriampahalemana. […]

Fialan’ny jiosy !

Miraradraraka ny fanambarana ataon’ny hery velona politika sy ny mpisehatra rehetra, omaly. Namaly ny antsoantson’ny mpanara-baovao ny firaisamonim-pirenena sy ny raiamandreny am-panahy. Nitovy ny tadi-dokangan’izy ireo izay samy manameloka ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana nataon’ny Andrimpanjakana voalohany tokony hiaro izany dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC. Manoloana […]

Sadasada manan-tsoratra

  Mafana ny toe-draharaha eto Madagasikara ! Raha noheverina ho famahana olana ny fifidianana dia mivadika ho fototr’olana izany ankehitriny. Asa inona no ambaran’ny mpitandro filaminana, anio maraina. Hisy ny fanambarana lehibe hataon’izy ireo. Tsy mbola misy mipika kosa ny ho vontoatiny. Ny lehiben’ny governemanta sady filoham-panjakana miara-mitantana no hitarika […]

Mivoaka…Miditra…

  Tsy hita be ihany ireto mpanao politika malagasy ireto.  Mivoaka miditra toa lelon-jaza amin’izay fihetsika atao. Mbetika mitsipaka, manangatra amin’ny fanaovana fanambarana arahin-tsonia. Mbetika manaraka ny onjany, toa mankasitraka izay ataon’ilay fitondrana. Manao kilalao mahavalalanina. Ilay vahoaka no fanina. Mankaiza ary izy ity ? na samy tompom-pahefana ihany koa aza […]