Amin’ny ankapobeny, niompana tamin’ny fampahatsiahivana indray fa tsy irery ny olona tsirairay fa manana an’Andriamanitra ny seho « Fiderana Goavambe », notontosain’ny TDL, omaly, tetsy Antsahamanitra. Nitondra herim-panahy vaovao sy fankaherezana ho an’ny mpijery tonga teny an-toerana izy ireo. Saika nohirain-dry zareo rahateo ireo sanganasany mirakitra izany. Nanotrona ny True Direction Life […]
kolon-tsaina
Kianja Barea Mahamasina : nanjakan’ny vazo miteny sy mozika mandona
Tontosa tetsy amin’ny toby fiantsonan’ny fiara, Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny fampisehoana “Revy sy vazo mandona”. Hetsika nokarakarain’ny Be Mozik. Nitondrana ireo mozika mandona sy vazo miteny. Nifarimbona nanafana ny fampisehoana ireo mpanakanto maro samihafa, toa an-dry Samoela, Lôlô sy ny tariny, Rah-ckiky, Bebey sy Benny ary Nini. Hita teny […]
TARATRY ny KANTO
Hitohy ny “Week-end mitorajofo” eny Imerintsiatosika. Taorian’ny hiragasy nifanandrinan’ny tarika Ramilison Besigara sy ry Sahondrafinina, omaly, handray an’i Agrad indray ny kianja malalaka LVTT Imerintsiatosika, anio. Hofaranan’ny tarika zandry Gasy amin’ny “Bà gasy mazia romotra” kosa izany ny alahady 3 novambra. Fiverenana any amin’ny fototra. Samy mibobobobo amin’ny filazana azy […]
Fampivelarana ny kabary : nifameno ny Fi.Mpi.Ma sy ny Valiha Académie
Misy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma) sy ny Valiha Académie. Ho fanohizana izany, fantatra fa hirotsaka amin’ny fampivelarana ny kabary ny Fi.Mpi.Ma sampana Itaosy sy ity foibe fikarohana sy fandalinana ary fikarohana momba ny zavakanto ity. Hisy ny fampianarana sy fanofanana kabary ho an’ireo mpikambana ao […]
Fondation H : nisokatra omaly ny «Invitation aux Temps»
Notanterahina ny alakamisy 31 oktobra 2024 teo, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana « Invitation aux Temps ». Fampirantiana hanehoan’i Finoana Ratovo Andriatseheno izy ity. Mpahay kanto maro sy mpanao gazety ary mpankafy ny kanton’ity mpanakanto tompon’ny fampirantiana ity no niatrika izany. Tao anatin’izany hetsika izany […]