Hotanterahina ny sabotsy 9 novambra 2024, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Zazadàla. Hetsika ho fampiroboroboana sy fampahafantarana misimisy kokoa ny “Juliette Romanova’s Ghost Story (Part 1)”, rakikira voalohan’ny tarika. Anisan’ny seho atolotry ny IFM sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, ao anatin’ny hetsika lehibe […]
kolon-tsaina
Vondron-kery miady amin’ny piraty (BAP) : hamafisina ny ady amin’ny hosoka ana habaka
Tsy ny fanenjehana mpamokatra sy mpivarotra kapika hosoka ihany ny asan’ny BAP. Mbola mafy kokoa ny miandry azy ireo, ny hosoka niomerika, izay mahazo vahana loatra ary sarotra ahitam-bahaolana. Nampiana ny isan’ny mpitandro filaminana mandrifitra ny Vondron-kery miady amin’ny hosoka (BAP). Noraisina sy nampahafantarina omaly, taorian’ny fananganan-tsaina nataon’ny minisiteran’ny Kolontsaina […]
Tarika Rossy : tontosa ny seho nandritra ny telo andro
Nifarana omaly, teny amin’ ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny fampisehoan’ny tarika Rossy. Fampisehoana natao nandritra ny telo andro, nanomboka ny zoma 25 oktobra 2024 hatramin’ny omaly. Tanjon’ny fampisehoana ny fampahafantarana ny rakikiran’ny tarika, izay azo jifaina eo anivon’ny Moozik. Tonga maro niaraka nitapolaka tamin’ny tarika Rossy ny mpankafy azy. Seho […]
TARATRY ny KANTO
“Eto ry Lala…”, namelombelona ny fahiny. Nankafy ireo mpiondana ny hiran’ny omaly, tetsy amin’ny Havoria Anosy, omaly. Nomena aina vao ireo hiran’i Therack, novelomin’ny tarika Voamaintilany, Voara, Avelo Nidor ary Ratsifa. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny hetsika nokarakarain’ireo mpankafy gadona Rock metaly. Fampisehoana niarahana […]
Big Studio : hamokatra ireo tanora mpanakanto
Rivo-baovao ho an’ny tontolon’ny tsenan’ny mozika eto Madagasikara. Hanampy isa ireo trano mpamokatra fampisehoana sy rakikira eto Madagasikara ny Big Sound. Nisy ny fampahafantarana ny sehatrasa hironan’izy ireo, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona. «I Wendy Catalina no mpanakanto entinay eo amin’ny sehatra iraim-pirenena voalohany. Fa miara-miasa […]