Raha vao miresaka jiolahin-tsambo, fahiny, dia miresaka ny Nosy Sainte Marie izay. Tena nitoerany sy nivezivezen’izy ireo ity nosikely aty Madagasikara ity. Maro ny fikarohana ara-tantara manaporofo izany, manampy ireo ny vakoka hita maso an-tanety, sy ireo harembakoka any amin’ny farany lalina an-dranomasina. Manintona mpizahatany izy ireny, ka nampitsiry ny […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Niakatra lenta ambonimbony kokoa ilay tantara tsangana noravahina hira, mitantara an’i Alladin, ny alahady teo, tetsy amin’ny CCI Ivato. Niavaka ny fandrindran’i Betia azy, ka nampiaina toy ny tena izy anatin’ny tantara koa ny hira sy soradihy nentin’i Ando Malalatiana. Efa matihanina ireo mpisehatra, ary tsy nataon’ny Okalou ambanin-javatra ny […]
Fanovana ifotony : Azo atomboka amin’izay ny « tena fanagasiana »
Tsy ilay tany amin’ny taona 1975 no haverina fa ny «tena fanagasiana» no atao. Tsy tokony ho lany fotoana amin’ny fitadiavana anarana na voambolana hoenti-«managasy» ny «cube», «racine carrée», «domaine de définition», sns, intsony ny mpampianatra sy ny mpikaroka. Fanapahan-kevitra hentitra no ilaina : «Ny teny malagasy no hoenti-mampianatra any […]
Rovan’Antananarivo : Hotontosaina ny 6 novambra ny famerenan-kasina
Fomba no hatao. Famerenan-kasina ny rovan’Antananarivo no hotontosaina, tarihin’ireo mpitan-kasina sy mpandala ny fomba malagasy. Hanasana ny rehetra kosa izany. 6 novambra 1995 – 6 novambra 2025. 30 taona ilay andro maizina, nahamay ny Rovan’Antananarivo, nisy ny Lapa Manjakamiadana sy ireo lapa hafa, ny fiangonana tranovato ary ireo fasan’ny mpanjaka. […]
TARATRY ny KANTO
Niverina ny Sehatra BaGasy. Noho ny tranga nisy teto amin’ny firenena. Nisy fiatoana tao anatin’ny volana vitsy ireo hetsika fanaon’ny Sehatra BaGasy. Ny sabotsy 1 novambra teo no niverina izany ka ny « Atrikefa malalaka » no nisantarana ny volana novambra, tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. Fifampizarana sy fifanakalozana traikefa […]




