kolon-tsaina

Lalatiana : Seho nanaovam-beloma vetivety

Vao vita ny seho, nihazo ny seranam-piaramanidina avy hatrany i Lalatiana. Feno fihetseham-po tanteraka ny seho izay notontosainy tetsy amin’ny Tanàna Zoari Ilafy, omaly alahady. Nentiny nanaovam-beloma vetivety ireo mpankafy eto an-tanindrazana mantsy izany, no namaliana ny fangatahan’ireo tsy nahita na mbola tsy afapo tamin’ny seho tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena […]

Tropy Jeannette : miavaka sy matihanina amin’ny seho atolony

Tsy zoviana amin’ny rehetra intsony ny Tropy Jeannette, raha eo amin’ny tontolon’ny teatra. Mbola nasehon’izy ireo hatrany izany maha izy azy izany nandritra ny seho nataony omaly. Notanterahina omaly, teny amin’ny Alliance française d’Antana­narivo (AFT) Andavamamba ny seho «… io no tarik’ Andriatinarivo” notontosain’ny Tropy Jeannette. Hira samihafa no nentin’izy […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny La Colline- Maison sociales des arts Ambatovinaky, ny hetsika « Philosophie de l’art contemporaine ». Velakevitra iarahana amin’ny Dr Razafimandimby Ghislain Antonio, izy ity. Ao anatin’izany no hiresahana ny maha izy ny zavakanto ankehitriny, indrindra manoloana ny fanatontoloana. Eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka […]

Sinema malagasy ; Feno ny «Disco Afrika: une histoire malgache »

Tontosa omaly, teny amin’ ny Cinepax Ambodivona, ny tafa sy velakevitra fampahafantarana ny horonantsarimihetsika « Disco Afrika: une histoire malgache ». Niatrika izany ny mpanatontosa sy mpamokatra ity horonantsary ity, notronin’ireo mpahay horonantsary sy mpanao gazety. Tanjona ao anatin’izany ny fampahafantarana ity « Disco Afrika: une histoire malgache” ity indrindra amin’izao fahatongavany eto Madagasi­kara […]

Faha-95 taonan’ny Tropy Jeannette: hira teatraly ranoiray no haseho an-tsehatra

“…Io ny tarik’Andriatinarivo”. Ampahan’ny tonon’ilay hira nampahafantarana ny Tropy Jeannette io. Io no nosafidiana hanamarihina ny faha-95 taonan’ity tropy teatraly zokiny indrindra eto Madagasikara ity. Fampisehoana hira teatraly ranofotsiny mantsy no hanamarihina izany, rahampitso alahady 27 oktobra, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny Alliance Française Andavamamba. Hira izay notsongaina […]