kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Tsy raikitra ny hetsika nokasain’ny vovonan’ny Mpitankasina Mijoro eny Anatirova. Saika hanatontosa ny famerenan-kasina ho an’ny Rovan’Anta­nanarivo izy ireo, anio, kanefa tsy nahazo alalana na nanova ny fandaharam-potoana. Misy ihany ny hetsika hatao amin’ny maha andro voatondro azy, saingy any amin’ny toeran-kafa. Nanambara kosa ny mpitanana ny Rova, fa noho […]

Tarika Rheg : Andiany faha-14 ny « November Rock »

Iray amin’ireo hetsika lehibe fanao isan-taona eo amin’ ny tontolon’ny rock ny «November Rock». Hotan­terahin’ny tarika Rheg, ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny 15 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, izany. Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-14 ity seho ity. Niainga tany amin’ny taona 2000. Efa lalan-davitra no nodiavin’ny «Rock Heavy […]

Fidisoa Ramanahadray : “Manampy be amin’ny fikirakirana sary ny IA”

Mpaka sary efa anisan’ireo ela teo amin’ny sehatra, niaina ny fivoaran’ny tontolon’ny saripika, i Fidisoa Ramanahadray, izay naka namana ny “Intelligence artficielle” izao. Hiompana amin’izay ny lohahevitry ny “SAR’nao” amin’ity. Mpanampy sa fahavalon’ny zavakanto ny fa­haranitan-tsaina artifisialy na ny IA? Tato anatin’ny taona vitsy nampiroborobo azy, maro ireo sehatry ny […]

« Scène slam » : Omena lanja ny famoronana

Tafiditra ao anatin’ny fampitiavana sy fampivelarana ny tontolon’ny Slam, hanatanteraka fihaonana manana en­drika atrikasa « Scène slam » ny Goethe-Zentrum/Cercle Germano-Malagasy etsy Analakely. Hetsika hotante­rahina ny tontolo andron’ny asabotsy 8 novambra izao. Omen’ny Madagaslam lanja ao ana­tin’izany ny asa famoronana tsy voafehin’ny lohahevitra fa malalaka, amin’ny ambaran’ny vava. Manom­boka amin’ny 10 ora […]