kolon-tsaina

Hakanto Contemporary, andiany faha-10: hasongadina ny tahirin-tsarin’i Dany be

Hotanterahina etsy amin’ ny efitrano Hakanto Con­tem­porary Ankadimbahoaka, ny 4 mey hatramin’ny 26 Oktobra izao, ny fampirantiana andiany faha-10. Hetsika hanomezan-danja ny sary manan-tantara nandritra ny fotoana niasan-dRakotoseheno Daniel na i Dany be, mpanao gazety sady mpaka sary. “Nosafidiana i Dany be satria olona tena anisan’ny manana ny maha izy […]

“Coupe du monde de Slam Poèsie”: Santa sy System D no hisolontena an’i Madagasikara

Anisan’ny haikanto vahiny, nefa manomboka mahazo laka eto Madagasikara, ny “Slam poèsie”. Ankoatra ireo fifaninanana anatiny maro, izay fototr’izany firoboroboana izany, efa mivelatra amin’ny any ivelany ihany koa ny mpiangaly “Slam poèsie” eto an-toerana. Tontosa omaly, teny amin’ ny Institut français de Madagascar (IFM) Ana­la­kely, ny valandresaka ho an’ny mpanao […]

Mpandihy matihanina: mba ho kanto hampidi-bola ny dihy

Ny alatsinainy lasa teo ny Andro maneran-tany ho an’ny dihy. Fotoana izay nahafahan’ireo mpandihy sasantsasany nitafa tamin’ireo tomponandraikitry ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izany. Nivoaka tamin’io, fa hatao rahampitso sabotsy 4 mey ny fankalazana. Hisy, araka izany, ny fampisehoana dihy, izay hatao eo amin’ny Kianjan’ny Hiragasy ao Ampefiloha. Hitohy […]