kolon-tsaina

Matahotra ny mpikarakara hetsika: nihavitsy ny lanonan’ny faran’ny taona

Somary mangingina ! Nitombo isa ireo nisafidy hijanona sy hanatanteraka lanonam-pianakaviana ao an-trano !… Mandalo fahasahiranana ny ankamaroan’ny Malagasy !… Ireny rehetra ireny mitambatra no niteraka tahotra ho an’ny mpikarakara hetsika faran’ny taona. Sao sanatria vitsy ny ho tonga. Na ireo toerana na efitrano anisan’ny manana ny lazany amin’ny fampiantranoana lanonana faran’ny taona […]

Sarimihetsika Malagasy: hampiofana Rasolofo Hasimbola

Hanomboka ny 9 janoary 2024, ny fampiofanana mahakasika ny sarimihetsika sy ny manodidina azy. Rasolofo Hasimbola, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika, manana ny maha izy azy, no hampiofana mandritra izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), miaraka amin’ny Academie nationale des arts et de la cultures (ANAC) sy ny […]

«Mozika an-dalambe 2.0»: ao anaty fanomanana ny tomponandraikitra

Ao anatin’ny fikarakarana ny hetsika «Mozika an-dalambe 2.0», ny tomponandraikitra amin’izany, amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina, fizarana mozika mandritra ny vanim-potoanan’ny Noely sy ny taona vaovao izy ity, izay atao eny an-dalambe, ho fizarana sy fifampizarana hafaliana amin’ireo olona sahirana eny. Eny Antaninarenina, ny 30 desambra 2023 no kasain’ny tomponandraikitra hanaovana […]

Taona 2024 : Mba hiova amin’izay; tsy misy ambony sy ambany ny kolontsaina…

«Teny baiko», «varavarana misokatra», «dinika an-databatra boribory», sns. Efa zary mahazatra ny sofina ny mihaina na maheno ireo. Raha eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto indray, miverimberina ny : «nitondra avo ny zavakanto malagasy». Mateti­ka faritana mihitsy ilay zavakanto, tahaka ny hoe «nitondra avo ny hira malagasy», satria, niseho teo […]

Eric Arnaud: hampiofana momba ny taosary

Hizara ny fahaiza-manaony momba ny tao sary i Eric Arnaud. Hotanterahina eny amin’ny Academie nationale des arts et de la culture (ANAC), Anosy izany, manomboka ny 13 janoary 2024. Hampahafantarina sy ho halalinina mandritra izany ny fahalalana fototry ny fanaovana sary. Tanjona ny hahamatihanina sy hampiroboroboina ny fanaovana sary. Hanosehana […]