Hetsika fanao isan-taona ho fampitiavana sy ho fampivelarana ny tontolon’ny jazz. Ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra tahaka izao no hanatontosana izany eto an-dRenivohitr’i Madagasikara… Ny 6 aogositra ka hatramin’ny 10 aogositra no hanatanterahina, eo Analakely sy ny manodidina, ilay hetsika lehibe ho an’ny jazz. Tafiditra ao amin’ny andiany faha-14 ny « Jazz@Tohatohabato ». Voatazona […]
kolon-tsaina
Marion: 20 taona nitondrana an-tsehatra ny Rn’B malagasy
Raha vao miresaka ny Rn’B eto Madagasikara, tsy afa-misaraka amin’izany ny anaran’i Marion. 20 taona izay ary mbola ao anatin’ny tontolo izy na tsy teto an-tanindrazana elaela aza. Nanaiky nizarazara ny lalany sy niresadresaka ny fankalazana taminay i Marion. Ramandaniarivo Andrianjaka Yves Marion ny anarany feno. Marion kosa no anarana […]
TARATRY ny KANTO
Tonga tampoka i Marion ! Vaovao lehibe ho an’ireo mpankafy, indrindra ireo efa nanam-pikasana ny hijery ilay fampisehoana « Génération 2000 », ity. Nampahafantarina mantsy fa « live streaming » ny anjaran’i Marion, noho izy monina any ivelany. Nigadona an-tanindrazana, omaly, ity mpanakanto anisan’ny namaky lay ny Rn’b teto Madagasikara ity. Hamerina indray ireo hira […]
« Revirevy mody masoandro » : Hampitambatra ny mpankafy rehetra
Hatao eny amin’ny tokotany malalaky ny CCI Ivato, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny alahady 27 jolay ho avy izao, ny fampisehoana « Revy revy mody masoandro », karakarain’ny Louvto Company. Hetsika hiarahan’ny tarika Mahaleo, Mahaleo Taranaka, Lôlô sy ny Tariny ary Samoela. Andiany fahatelo ity fampisehoana ity, nampisehoan’ny orinasa Airtel, fa mpiara-miombon’ […]
Green sy Kiaka : Mitohy ny fiarahana an-tsehatra
Toa ny tarika iray… Kanefa samy manana ny hanitra ho azy raha ny tarika Kiaka sy ny tarika Green. Efa tany amin’ny taona 90 tany no nisy ny fifandrasana akaiky teo amin’ireo mpikambana, ka mitohy mandraka ankehitriny izany. Porofon’ izany, maromaro ireo seho izay iarahan’ny Green sy Kiaka, na efa […]





