kolon-tsaina

Kolontsaina sy zavakanto : Miandrandra ny volana aogositra, septambra, oktobra ny mpihiragasy

Raha ny volana jolay no nantenaina fa hisy kely ny tsena. Nihena izany raha oharina tamin’ny taon-dasa. Mbola misy telo volana ahafahana mametraka ny fanantenana, anefa, raha ny nambaran’ireo mpihiragasy. «Ny firenena iray ma­nontolo sy ny fiainam-piarahamo­nina mihitsy no mandalo fahasahiranana, ka tsy mahagaga raha misy fihenany ny adin-kiragasy hita […]

TARATRY ny KANTO

Nalana tamin’i Lovatsara K. indray ny loka “mpamorona mendrika indrindra”, nandritra ny hetsika “Tana Design Week”. Nisy ny fanambarana nataon’ny komity mpikarakara, omaly, fa dika mitovy tamin’ny sanganasana mpamoron-damaody vahiny, Mitchelle Amadi, no nentin’i Lovatsara K. nifaninanana sy naranty teny Andafiavaratra, ny 12 hatramin’ny 18 jolay teo. Faran’izay fady ho […]

Compagnie Miangaly Théâtre: Holalaovina manontolo ny « La ferme »

Taorian’ny seho maro notanterahina tany amin’ny Nosy La Réunion, hotanterahina eto Madagasikara ny filalaovana manontolo ilay teatra « La ferme ». Fampisehoana hiarahana amin’ny Compa­gnie Miangaly Théâtre, hotanterahina eny amin’ny Espace culturel Kolomahaolona, Am­pi­tatafika, ny sabotsy 2 aogositra 2025, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. « La ferme » niarahan’i Bini Josoa sy Gad Bensalem […]

“Génération 2000”: Mandalo eto an-tanindrazana i Joy K

Nantsoina manokana. Nitana ny teny nomena, ka tonga eto an-tanindrazana, hanatontosa ilay seho “Génération 2000” i Joy K. Hiray sehatra amin’ireo indray nihira aminy izy mandritra izany. “Tena hoe hanenjika ity fampisehoana ity fotsiny aloha no handalovako amin’ity. Efa nampanantena aho tamin’ny taon-dasa fa hiezaka ny hiverina tsy ho ela”, […]