Tontosa omaly, tetsy Antsahamanitra, ny fampisehoana goavana nataon’ny tarika Reko. Natrehan-dry Mirado sy Bolo, mpanakanto nasaina. Tonga maro nanatrika ny seho teny an-toerana ireo tanora lahy sy vavy, mpankafy. Nafana ny fiarahana teo amin’ny mpankafy sy ireo mpanakanto nandritra ny seho. Tsy nijanona ny fanarahana sy fampiaraham-peon’ny mpijery tamin’ireo mpankanto. […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Nahazo tale jeneraly vaovao ny ORTM. Tsy vaovao ny marimarina kokoa, fa niakatra teo amin’izany toerana sy andraikitra izany, Ranarivelo Nampoina. Talen’ny TVM nandritra ny roa taona sy tapany izy nialoha izao. Mametraka ho fanamby ny ho fanatsarana ny tolotra omen’ny haino aman-jerim-panjakana ho an’ny Malagasy tsivakivolo ny tenany. Monika […]
Kabeson’ny Ampanjaka Toera: hidina any Menabe ny komity siantifika
Miroso miandalana. Efa tontosa ny dingana voalohany amin’ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, izay mipetaka amina tranombakoka iray any Paris, Frantsa. Volana maromaro izay no nanao ny fangatahana tamin’ny governemanta frantsay ny fanjakana malagasy, nosoloin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera teo aloha, tena. Nanohy ny dingana manaraka ny ekipan’ny […]
Seho « Redombe » : hira 37 no hovelomina
Miroso hatrany ny fanomanana ilay fampisehoana an-tsehatra « Redombe » karakarain’ny Sehatra Bagasy. Fantatra fa mahatratra 37 ny isan’ireo hira hovelomina eny an-tsehatra, ny sabotsy 25 mey izao, ao amin’ny efitrano malalaky ny CCEsca Antanimena. Anio, hanatanteraka fihaonana « Atrikefa Bagasy » ho famerenana ireo hira ireo, eny amin’ny Aro Antsahavola, ireo mpanakanto mivondrona […]
Prix Paritana 2024: lasan’i Tsiriniaina Irimboangy ny amboara
Mitohy hatrany ny fanohanana sy fanolorana fanararaotra ho an’ny Malagasy mpahay kanto ataon’ny Fondation H. Mpahay kanto miisa telo, miangaly haikanto samihafa, no voafantina hisitraka ny tolotra enti-manatsara ny tetikasany avy, tamin’ity andiany ity. Tontosa teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny lanonana nanambarana tamin’ny fomba ofisialy, ny […]