«Faly aho milaza amintsika fa nivoaka ilay boky vaovao «Where the light lives»», hoy i Pierrot Men. Raha saripika miloko no nahafantarana ity kalaza amin’ny fakana sary ity. Somary hiova kely izany satria hiloko tanteraka ny boky. Hitondra ireo lokon’i Madagasikara nanomboka ny taona 2014, raha ny fanazavana nomeny. Ao […]
kolon-tsaina
Andrarezin’ny hira malagasy: Nodimandry i Rolland Raelison
Vitsy no manana ny talentany. Nodimandry i Rolland Raelison, mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno… Maro be ireo kanto napetrany! Misaona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry teo amin’ ny faha-87 taonany, tatsy amin’ny Nosy La Réunion, omaly 18 avrily 2025 maraina, i Rolland Raelison. Andrarezin’ ny hira malagasy. Sady mpamoron-kira no mpihira, […]
Kalon’ny fahiny…: Nodimandry i Doda (Ny Voamaintilany)
Araka ny vaovao voaray halina, nodimandry i Doda ao amin’ny tarika Ny Voamaintilany. Anisan’ny nahafantarana azy ny fihirana ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly. Anisan’ny mpikambana tao amin’ny tarika Noelson Lalao (rainy niteraka azy) i Doda. Saika nametrahany ny feony avokoa ny antanantohatry ny feo nilaina tamin’izany. Taty aoriana, […]
« Power of Metal »: Seho miaraka amin’ny tarika Alkiniah sy ny tarika Mania
Tarika roa anisan’ny sangany eo amin’ny fiangaliana ny mozika mavesatra no ho tafaraka. Tarika Mania sy ny tarika Alkhiniah, hanatanteraka ilay seho goavana « Power of Metal ». Raikitra ! Hotanterahina etsy amin’ny Cercle Franco-Malagasy (CFM) Anosy, ny sabotsy 19 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 10 ora alina ny […]
Fikarakarana hetsika: Tsy ampy ny fotodrafitrasa ho an’ny zavakanto
Sahirana ireo mpisehatra amin’ny zavakanto eto Madagasikara. Tsy ampy na tsy misy mihitsy ny fotodrafitrasa manara-penitra, mety amin’ny sehatra tsirairay. Mionona amin’izay azo ampiasaina ny mpanatalenta sy ny mpikarakara, ka mandatsaka ny kalitaon’ny seho matetika. «Tsara ny Lapan’ny fanatanjahantena, fa mba aiza ny an’ny zavakanto? » hoy ny fanontaniana napetrak’i Sareraka […]




