kolon-tsaina

Taona 2024: hanomboka febroary ny hetsika “Sehatra Ba gasy”

Rehefa voatery niato kely teny antsefantsefam-potoana… Fantatra, araka ny nambaran’i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Ba Gasy, fa hiverina manomboka ny volana febroary 2024 ny hira sy kalo eo ani­von’ity vondrona ity. Tsy hisy fiovana ny toerana sy ny fotoana. Isaky ny sabotsy voalohany amin’ny volana, manomboka amin’ny 2 ora sy […]

Fampandrosoana ny haikanto: tsy ampy fitaizana sy fanabeazana ara-javakanto ny Malagasy

Somary mandeha ila ny haikanto eto Madagasikara. Maro ny mpahay kanto. Betsaka ny vokatra saingy vitsy ny mankafy sy manjifa. Misy fiantraikany ratsy amin’ny mpanakanto izany. Mihamaro hatrany ny ivontoerana fandalinana sy fampiroboroboana ny haikanto. Manaraka izany ny fitombo­an’ny mpahay kanto vokatry ny famohazana ny talentan’izy ireo amin’ny toerana voatokana […]

Andriarimanjaka Dina Nomena: « Nampivelatra ny fanatontosana ny ranty… »

Hifarana ny 31 desambra 2023 ny fampirantiana « A la recherche de Betia », tontosain’ Andriarimanjaka Dina Nomena, eny amin’ny Fondation H Ambatomena. « Nitondra vokatsoa maro teo amin’ny maha mpahay kanto ahy ny nandraisana anjara tamin’ny fifaninanana « Prix Paritana », indrindra ny nanatontosana ity fampirantiana ity », hoy Andriarimanjaka Dina Nomena, anisan’ny mpandresin’ny […]

« Bibliothèques Mobiles »: tanjona ny hanentanana ny ankizy ho tia vaky boky

Ny mpamaky boky tao amin’ny « Bibliothèque communautaire Ambohimandroso » indray no nandray ny « Bibliothèques Mobiles », omaly. Tetikasa iarahan’ny Ressources éducatives Madagascar sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny fikambanana « Kianjan’ny Ankizy ». Tanjona ny hanentanana ny ankizy ho tia vaky boky ka hamerenana ny hasin’ny boky eo amin’ny fanabeazana sy ny fampianarana. […]

Fiverenana eny ifotony: mila ampitomboina ny fahalalan’ny Malagasy

Firenena anisan’ny manana fahalalana voajanahary maro i Madagasikara sy ny Malagasy monina ao aminy. Misy amin’izy ireny no niova endrika… Niova zavatra hafa mihitsy aza taty aoriana ! Firenena niaina tao anatin’ny lamina voajanahary ny Malagasy. Ny voajanahary na ny zavaboahary no namolavola ny maha izy azy manontolo. Iray amin’ireny ny […]