Hotanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny «Cinem’alliance». Hetsika karakarain’ny AFT hampisehoana sy hiresahana sarimihetsika malagasy izy ity. Amin’ity anio ity, ny «Zanaka, teny nomen’i Felix» no handravaka ny hetsika. Aorian’ny fandefasana ny sarimihetsika, hisy ny resadresaka fifampizarana manodidina ny sarimihetsika, hiarahana amin’i Fifaliana Nantenaina, mpaka […]
kolon-tsaina
Tranga tsy tokony hipoitra : mila mianatra ireo manan-talenta
Tsy ny hira ihany fa ny tontolon’ny zavakanto eto Madagasikara mihitsy no mila manatevim-pahalalana. Tranga tsy tokony hiseho ny fanimbazimbana ny vakoka, arahina fialan-tsiny sy fifonana avy eo. Ny fanafintohinana mahazo izay maheno na mahita ilay kanto, sns, raha nobeazina sy nampahafantarina ireo manan-talenta izay tokony ho fantany. Manan-talenta amin’ny […]
Andro maneran-tany ho an’ny Teatra : homena sehatra haneho ny talentany ireo mpianatra
Volana marsa, volan’ny teatra. Hisy hetsika maromaro hanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ity sehakanto ity, ka anisany ny fifaninanana ho an’ireo mpianatra solontenan’ny sekoly maromaro. Marihina isaky ny 27 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny teatra. Misy hetsika maro tontosain’ny fianakaviamben’ny teatra, manodidina izany. Ho an’ity taona ity, hisy ny […]
Fifaninanana kabary : nomena lamba vita fomba ny nandresy
Nanaovana fifaninanana maro samihafa ny hetsika fankalazana ny 8 marsa teny Ambohidratrimo. Nampiavaka izany ny fanasongadinana ny hetsika ara-panatanjahantena ho an’ny vehivavy sy ny fifaninanana ara-kolontsaina, toy ny kabary sy ny vakodrazana. Valo ireo nandray anjara tamin’ny lalao ara-panatanjahantena, baolina kitra. Efatra ny teo anivon’ny lalao basikety ary 4 ihany […]
«Madagascourt Film Festival» : fantatra ny anaran’ireo ho mpitsara
Nampahafantarin’ny tomponandraikitra, mpikarakara ny «Madagascourt Film Festival» (MFF), omaly, ireo matihanina eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, hofidina ho mpitsara mandritra ny MFF, andiany faha-19. Miisa enina mianadahy izy ireo, ahitana Malagasy. Anisan’ny fepetra fototra ny fiseharany sy ny fananany ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Anisan’ny hofantenana amin’izany i […]





