Be ny efa vitany, saingy mbola vonona hanome ny tsara indrindra hatrany i Jaojoby. Ho famaliana ny hetahetan’ireo mpankafy, hanamarika ny faha-55 taonany an-tsehatra, miaraka amin’ny fitetezam-paritra sy hetsika maro izy. Taona 1970, vao 15 taona monja i Jaojoby Eusèbe tamin’izany… Hianatra no nahatongavany tao Antsiranana, saingy nitsiry tao aminy […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Homarihina eny Ankatso ny « Andro iraisam-pirenena » ho an’ny boky. Anio manomboka amin’ny 9 ora no hisesy ireo hetsika isan-karazany, eo amin’ny fiantsonan’ny fiara sy ao amin’ny amphithéatre EGS. Hahitana vakiboky an-kalamanjana, fampirantiana boky, atrikasa momba ny fanoratana, adihevitra iarahana amin’i Dama Mahaleo, hatramina fampisehoana iarahana amin’i Ayam sy […]
Faribolana Sandratra Betafo: Amboaran-tononkalo « Ankaromiafina »
Misy, miaina ary mampiaina ny literatiora ny sampan’ ny Faribolana Sandratra ao Betafo Antsirabe. Porofon’ izany, hisy hetsika izay hotontosain’izy ireo ny sabotsy 26 avrily izao, manomboka amin’ ny 2 ora sy sasany, ao amin’ ny CGM Analakely. Antsan-tononkalo toy ny mahazatra, no sady famoahana ny amboaran-tononkalo « Ankaromiafina » […]
Andrarezin’ny hira malagasy: Hisy ny tsiahy ho an’i Rolland Raelison
Zoma 18 avrily, nanjombona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry tany amin’ny Nosy La Réunion i Rolland Raelison… Ho an’ny eto an-toerana, hisy ny fanomezam-boninahitra ho an’Andriamanitra sy tsiahy ho azy. Hanana endrika roa ny fandaharam-potoana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fahatsiarovana an’i Rolland Raelison, andrarezin’ny hira malagasy, nodimandry tany Tampon […]
Lazam-balala no betsaka: Kolontsaina tsy hita hantenaina ?
Midadasika i Madagasikara. Manana kolontsaina maro. Ao ireo tazana ny vokatra hoentiny. Tsy vitsy ireo tafajanona eo amin’ny endrika ivelany fotsiny. Hatramin’izao, mbola farahidiny ny Malagasy. Tsy mandray anjara amin’ny fiainany ireo kolontsaina ambara fa harenany ? Manan-karena kolontsaina, hono, ny Malagasy ! Karazan-kira sy dihy maro, hono, no hita […]




