kolon-tsaina

« Zara-Revy »- Samoëla: Nitety vanim-potoana tao anatin’ny ora dimy

Taona 2025, mandia ny faha-30 taonany an-tsehatra i Samoëla. “Efa sasany”, no nilazany ity vanim-potoana lehibe ity. Tao anatin’ny fampisehoana “Zara-Revy” andiany fahefatra, notanterahina tetsy amin’ny Kianjan’ny Malacam Antanimena, no nitetezany an-kira io 30 taona io. Izany hoe, saika ireo hira anisan’ny nahafantarana an’i Samoëla no nomena laka kokoa. Samy […]

« Efa ela loatra… » : Tsy nifankafoy ny Olom- belo Ricky sy ny mpankafy

“Efa ela loatra…”, tsy nihaonana tokoa ny Olombelo Ricky sy ny mpitia zavakanto. Io hetaheta ny hifanatri-tava io no nomena lanja lehibe tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Imahamasina, omaly. Ny figadon’ny zavamaneno eny am-boalohany dia efa fitarihan-dalana hampahatsiahy ny tany amin’ny dimy amby efapolo taona lasa. Nanamarika hatrany […]

Salomon sy Henri Ratsimbazafy: Seho sarotra hadinoina ny « Feo roa tafaray »

Manana ny akony lehibe eo amin’ny tontolon’ny hira malagasy ny “Feo roa tafaray”. Fiakaran-tsehatr’i Henri Ratsimbazafy sy i Salomon… “Raiben’ny kanto malagasy”. Io ilay anarana nasalotra an’i Salomon sy i Henri Ratsim­bazafy, raha nanatanteraka ilay seho “Feo roa tafaray”, omaly tolakandro, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Noporofoin-dry zareo tokoa izany. Feo […]

TARATRY ny KANTO

« Feo roa tafaray », etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Rahampitso alahady ity fotoan-dehibe iarahana amin’i Henri Ratsimbazafy sy i Salomon ity. Seho tsy manam-paharoa, tsy mbola nisy ary tsy hisy fanindroany, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Samy hizara ny kantony ireto raiben’ny kalon’ny omaly ireto. Hisy koa ny ampaham-potoana iarahan’izy ireo, mandritra […]

« Festival Vues d’Afrique » : Mamiratra any Canada ny sarimihetsika malagasy

Nanomboka ny alakamisy teo ny « Vues d’Afriques », andiany faha-41. Hetsika iraisam-pirenena hanasongadinana ny sarimihetsika afrikanina, any Canada, izy ity. Manana solontena amin’izany i Madagasikara, satria misy sarimihetsika notontosaina Malagasy mandray anjara amina sokajy telo; Ny “What if?” an’i Norohasimbola Julienne Rakotoharinivo ny voalohany, ao amin’ny sokajy “Fiction courts et moyen […]