Fampirantiana mitety tanàn-dehibe. Efa tontosa ny tany Antsiranana, Ambanja ary Antsohihy, ny faran’ny herinandro teo. Hitodi-doha any Mahajanga indray ny “Ma voix compte”, entin’ny fikambanana Sar’Nao. «Ma voix compte», azo hadika tsotsotra hoe «manan-danja ny feoko». Fampirantiana mitety tanàn-dehibe izy ity, izay iarahan’ny fikambanana Sar’Nao miketrika amin’ireo mpiara-miombon’ antoka aminy, […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Ho avy indray eto Madagasikara ny tarika Exo. Hanatontosa seho 3 lehibe izy ireo, ka ny voalohany ny 1 mey, ao amin’ny CCI Ivato. Ao Antsahamanitra izay toerana efa mahazatra azy ireo kosa ny seho faharoa, ny 3 mey. Any Toamasina ny seho fahatelo, ny 9 mey, ao amin’ny CRJS. […]
Fanabeazana sy fitaizana : Miteraka resabe ny fikapohana zaza
Iray amin’ireo firenena niaina sy nobeazina hanaraka ny lamina voajanahary ny Malagasy. Aminy, tsy misy raikipohy nomena tany an-tsekoly na nandramana tany amina toerana fanaovana izany, fa ny voajanahary no narahina. « Ny zaza tiana tsy hitsitsiana rotsankazo », hoy izy. Miteraka resabe izy io tato ho ato. Misy ireo ray aman-dreny […]
« Fianar Reggae Festival »: Mivelatra amin’ny iraisam-pirenena ny hetsika
Andiany fahafolo sahady. Tsy nitsaha-niakatra ny lentan’ny hetsika « Fianar Reggae Festival ». Efa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany izany ankehitriny. Manana ny toerany ny mozika reggae eto Madagasikara. Hetsika anisan’ny ngeza indrindra aty sy manerana an’i Afrika ny «Fianar Reggae Festival», izay miditra sahady amin’ny andiany faha-10 amin’ity taona ity. […]
TARATRY ny KANTO
Noraisin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry tao amin’ny Lapan’Ambohitsirohitra, ny zoma lasa teo, ny solontenan’ny fianakaviana Kamamy. Misolo tena ny taranaka mivantan’ny Ampanjaka Toera sy ireo olom-boafidy avy any amin’ny faritr’i Menabe izy ireo. Mba hahafahana mandamina ny fomba fandraisana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Atao makotrokotroka ny fandraisana azy io satria […]




