Mitoetra ho hetsika goavana indrindra isan-taona. Rehefa fetin’ny Paka, ao Antsirabe hatrany ny fanokafana ny « Star Tour ». Hotontosaina ny 18 hatramin’ny 21 avrily, araka izany, ny amin’ity taona ity, manoloana ny Gara hatrany. Niverina ho efatr’andro an-danonana toy ny taloha ny “Star Tour” Antsirabe, amin’ity, raha ny fanazavana nentin’ny mpikarakara, […]
kolon-tsaina
Andro iraisam-pirenena : Tsy mbola mahazo laka ny boky sy ny zon’ny mpanoratra
Hankalazaina tsy ho ela ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny boky sy ny zon’ny mpanoratra. Ho an’i Madagasikara, tsy mbola zava-dehibe ny boky sy ny zon’ny mpanoratra. 23 avrily, Andro maneran-tany ho an’ny boky sy ny zon’ny mpanoratra. Taona 1975, nanomboka nihena andro aman’ alina ny fampiasana ny boky teto Madagasikara. […]
TARATRY ny KANTO
Hotontosaina anio ny famaranana amin’ilay fifaninanana voalohany momba ny “violon” sy “violoncelle” eto Madagasikara. Manomboka amin’ny 9 ora sy sasany izany, etsy amin’ny Kudeta Anosy. Nozarain’ny Madagascar Mozarteum ho sokajy roa ireo mpifaninana, ka hivoaka anio avokoa ny mpandresy isan-tsokajy. « Hikalo ny kanton’i Bessa sy Lôla ». Fampisehoana an-tsehatra […]
Hira fiderana : Hanolotra seho goavana ny TMI
Tsy honohono intsony fa tena raikitra! Ny alahady 13 avrily izao, manomboka amin’ ny 2 ora tolakandro, ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina etsy Imahamasina. Hanatanteraka seho fiderana goavanabe ny Tanora Masina Itaosy. “Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy i Jehovah” Jer.31:17a. Araka io teny faneva io, […]
Fitaratra lany manja : Manoro lalan-diso ny raiamandreny
Fahiny, tsara taiza ny Malagasy. Nanan-taranaka vanona sy nahalala ny fombany i Madagasikara… Ankehitriny, zaza sy tanora ratsy taiza. Manao randrana tsy manendrika azy. Miady fo ho «Rajakom-bazaha» araka ny tononkalon’i Jean Narivony… Tsy ho tonga any amin’ireo lalan-diso ireo ny Malagasy miaina amin’izao vanim-potoana izao raha nanana fitaratra tsy […]




