kolon-tsaina

Viavy Film Festival : lasan’i Nya Rafali ny amboara “Tresse d’or”

Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny lanonana nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny valin’ny fifaninanana “Viavy Film Festival”, andiany voalohany. Nya Rafali sy Rova Andriantsileferintsoa ary Mazigna Barros no nandrombaka ny amboara, nandritra izany. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, azo lazaina ho tratra ny tanjona tamin’ity andiany voalohany […]

Mitohy hatrany ny fampisehoana… : miezaka manohy ny « Revy Mahaleo » ny taranaka

Mbola mijoro manohy ny revy i Dama sy i Bekoto. Milahatra amin’izy mirahalahy eo ireo taranaka Mahaleo, sy ireo mpankafy manjohy hatrany. Nanakoako tetsy Antsahamanitra indray ireo hira tsy tontan’ny ela. Miezaka. Izay no tena mahafehy azy, raha hiresaka mahakasika ny «Revy Mahaleo», tetsy Antsahamanitra, omaly. Nie­zaka i Dama sy […]

Ady hiragasy Goavambe : hangotraka etsy amin’ny kianjan’ny Kanto

Hitalakotrokotroka ny etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina ! Ireo andrarezin’ny hiragasy no hifandona eny an-toerana, rahampitso tontolo andro. «Hiragasy Goavambe», hifanandrinan’ny tarika Ramilison Besigara Zanany avy any Fenoarivo sy Rasoalalao Kavia avy any Ampahimanga. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ny fifampitsapan’ny roa tonta! Tarika Ramilison Besi­gara, anisan’ny nahafantaran’ny olona maro […]

« Festival Dôla Beach »: hanafana ny hetsika ry Tence Mena sy Wawa

Hiditra amin’ny andiany faha-12, hotontosaina any Vatomandry, ny 29 marsa hatramin’ny 1 avrily izao ny «Festival Dôla Beach”. Hetsika fanao isan-taona rehefa fetin’ny Paka izy ity, atao any an-toerana. Miara-dalana hatrany ny hetsika ara-javakanto, fialamboly ary ny fanatanjahantena mandritra ny “Festival Dôla Beach”. Anisan’ny andrasan’ny maro amin’ity taona ity ny […]

Hosodoko : haneho ny talenta sy ny voka-pikarohany i Ashiko Ratovo

Taorian’ny tao amin’ny Cité internationale des Arts, Paris. Anjaran’ny mpankafy hosodoko eto Madagsikara indray ny hianoka ny asa tanan’i Ashiko Ratovo, ao anatin’ny fampirantiana « Tsy manan-kialofana, Sans abri ». Tanterahina eny amin’ny Institut français de Ma­dagascar (IFM) Anala­kely, ny 18 marsa 2024 hatramin’ny 27 Avrily 2024, ny ranty “Tsy […]