Vokatra vaovao hanampy ireo efa nivoaka taloha. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny fivoahan’ny “Fanambin’i Rijakely”. Boky tantara an-tsary, sanganasan’i Rindra Razafindrabe na i Riri izy ity, izay navoakan’ny edisiona Hay Tsingory. Anatin’ny sokajy tantara mahatsikaiky, saingy miresaka ny zava-nisy marina eto Madagasikara. Nosafidiana manokana ny sary mainty sy fotsy, […]
kolon-tsaina
Fifaninanana teatra: Ho fantatra anio ny mpandresy
27 marsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny teatra. Mankalaza izany isan-taona isika eto Madagasikara. Nisy ny fifaninanana teatra ho an’ny mpianatra, ka sekoly 11 no namaly ny antso. Tontosa ny 18 marsa lasa teo ny dingan’ny fifanintsanana, ka sekoly 4 no tafakatra hanao ny dingana famaranana, izay hotontosaina anio, etsy amin’ny […]
29 marsa – 30 marsa : Hampahafantarina ny tanora ny momba azy
Andro vitsy sisa isaina… Handia vanim-potoana roa lehibe i Madagasikara. Ny 29 marsa sy ny 30 marsa. Ahafahana manararaotra hanehoana amin’ny tanora ny momba azy. Azo antoka, hisy ny ho liana… 29 marsa, ahatsiarovana ny «Tolom-panafahana» notanterahin’ny Malagasy tamin’ny taona 1947 hanoherana ny Frantsay sy ny forongony. 30 marsa, handiavana […]
TARATRY ny KANTO
Tonga omaly i Oboy. Izy no vahiny andrasana manokana mandritra ilay «Match de gala» etsy Mahamadina, anio tolakandro. Amin’ny fotoam-pialantsasatra no hiakatra ny kianja ity frantsay mpanakanto mpanao rap fa teratany malagasy ity. Fanamarihana ny 29 marsa : misy fampirantiana mitety sekoly. Teny amin’ny Lycée Belanitra Ilafy sy Andriamborona Ambohimanga […]
« Don’t miss the chance »: Seho lehibe miaraka amin’ny CMA
«Hararaoty ny andro azo hanaovan-tsoa» (Efe 5:16a) na «Don’t miss the chance». Io ny lohatenin’ilay fampisehoana lehibe hotanterahin’ny Chorale Maintimolaly Ambohitantely (CMA), ny zoma 28 marsa izao manomboka amin’ny 7 ora hariva, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka. Haharitra adiny roa ny fampisehoana. Nasaina manokana ireo mpanakanto manana ny maha izay […]




