Seho roa, hotsaroan’ireo niaina azy mandrakizay ny “Bapampaglady Be”. Mbola ilay Rossy matihanina amin’ny mozika, manao fanamby goavana sy avo lenta no nitarika ny namany nahatontosa seho avo lenta. Sehatra intelo mihantoana, manerana ny ilan’ny lapa. “Ecran” nanemitra ny sehatra efa ho 15 metatra, izay vao mainka nanasongadina ireo mpanakanto. […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Hotokanana ny Lapan’Andrianampoinimerina, eny amin’ny Doany Ankazomalaza Ambohimanga. Hotontosaina mandritra ny Alahamadibe, amin’ity faran’ny herinandro ity, izany. Hanomboka rahampitso ny fidiovana sy fanasinana, arahin’ny arendrina sy ny afo tsy maty ary ny lamalama ny alina. Ny 30 marsa kosa ny safo-drano, tatao, tsitsika, tolotra hasina, joro alahamady, tentina, tsodrano, zara […]
Moozik sy Davalt Rwikordz: Miara-dalana hanandratra ny mozika malagasy
Miabo hatrany! Nanamafy ny fiaraha-miasa efa natomboka ka hifampitantana ho fanandratana ny mozika malagasy ny trano mpamokatra Davalt Rwikordz sy ny Moozik. Mitovy ny fijery, iray ny tanjona. Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny Kudeta Carlton, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny trano mpamokatra mozika Davalt Rwikordz, sy ny orinasa Manoova, amin’ny […]
Fanabeazana: Very « Reny » ny Malagasy
Manana hasina lehibe eo amin’ny Malagasy sy ny fiarahamonina misy azy ny reny. Loharanon’ny taranaka. Tandindon’ny hoavy manaraka. Fambara tsy miangatra ho an’ny vanim-potoana any aoriana ihany koa… Manomboka mitsingalamboangidina ny fiarahamonina malagasy, satria, very ilay reny. Diniho tsara! «Firenena mpanjanaka». «Tany voazanaka». «Mpanjana-tany»… Samy manambara fa lasa «zanaka» na […]
TARATRY ny KANTO
Maro ny mahay? Saingy, hatramin’izao, mbola hasarotin’ny sasany hatrany ny famaritana ny hoe: «mahay». Izy io ve tsy azo ampilaharina amin’ny teny mifanohitra amin’ny tahaka ny hoe «vendrana», «donto», «tsy nandia varavaran-tsekoly»… Amin’izay tonga dia hita ho azy ny «mahay». Mahavariana, mantsy, fa nanjary nizara be dia be ny hevitry […]




