Misy endri-tseho maro, hikendrena ny tanora. Iray tamin’ ireny ny “loko iray”, notontosaina ny alahady teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nate Tex, Njara Marcel, Nampoina, Ayam ary Johanne. Tarika tanora, ankafizin’ny tanora, fa milalao mozika manara-penitra avokoa. Nanokatra ny seho ilay hira tambatra, niarahan’ireo tarika. Samy nitondra ny azy […]
kolon-tsaina
“Tapôlaka Glady”: Nanamafy indray ny lazany i Rossy
“Glady”, araka ny heviny. Tsy nitovy endrika tamin’ny taloha, saingy niavaka kokoa ny “Tapôlakaglady”, omaly. Noporofoin’i Rossy fa mbola mitoetra ny lazany, ary manjohy azy hatrany ireo mpankafy. Niakatra sehatra i Bohery… Izay mpanaraka ny tarika Rossy dia efa mahalala fa kabary no manokatra ny seho amin’ny fomba ofisialy. Tsy […]
TARATRY ny KANTO
«Loko iray». Ity ilay fampisehoana anisan’ny andrasan’ny maro amin’ity faran’ny herinandro ity. Ny alahady 8 jona, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina no hifandimby an-tsehatra ry Njara Marcel, Johanne, Nate Tex, Aya ary i Nampoina. Hisy fampiaraham-peo maromaro, araka izany, homanin’ireto mpanakanto ireto, hanehoana ilay lohahevitra. Fankalazana ny fiverenan’ny […]
FJKM Amparibe Famonjena : Vahinin’ny RFF ny Anjomaran’ny fitiavana Toamasina
Toy ny fanaony isan-taona, rehefa volana jona tahaka izao, manatanteraka ny vavaka ho an’ny tanindrazana sy ireo mpanala fanadinana ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF) eo anivon’ny FJKM Amparibe Famonjena. Tontosaina ao anatin’ny teny filamatra: “Zanahary ô! Tahio ny tanindrazanay”. Fiarahan’ny vavaka sy ny zavakanto, hotanterahina ao an-toerana, ny alarobia […]
« Festival Sabôtsibe » : Hanasongadinana ny omby
Manana ny hetsika ara-kolontsaina mampiavaka azy koa i Mandritsara. Hiditra amin’ny andiany faha-3 ny « Festival Sabôtsibe », izay hotontosaina ny 13 hatramin’ny 15 jona ho avy izao. Nalaina tamin’ny anaran’ny tsenan’omby Sabôtsibe isaky ny tapa-bolana ao Mandritsara ny anaran’ny hetsika, satria hanasongadinana ny omby gasy no tena tanjona amin’izany. […]





