kolon-tsaina

Boky sy ny zon’ny mpamorona : Hifanatrika ny mpisehatra sy ny Omda

Adihevitra tena ilaina. Hotontosaina anio manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny velakevitra arahina ady hevitra manodidina ny «Boky sy ny zon’ny mpanoratra: Ny olana sy ny fanamby». Hi­fanatrika mandritra io fotoana io Rarivojaona Joelinirina, talen’ny Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona na Omda, Razafintsalama Marie […]

Iray volan’ny teny malagasy : Nikaondoha ireo mpanomana

Ho maromaro ny hetsika hanamarihana ny «Iray volan’ny teny malagasy», ny volana jona ho avy izao. Tafiditra ihany koa anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena izany, ka nisy ny fikaonandoha nataon’ireo mpikarakara ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny foibe momba ny teny ao amin’ny Akademia Malagasy. Tapaka nandritra izany […]

« Festival Dôla Beach » andiany faha-13 : Handray an-dry Wawa sy Black Nadia i Vatomandry

Efa fotoam-bita isan-taona, any Vatomandry. Hahoraka indray ny fetin’ny Paka, mandritra ny andiany faha-13 amin’ny “Festival Dôla Beach”. Niampy ireo karazam-pialamboly, fa ny fampisehoana no lehibe indrindra amin’izany. Lanonana andro aman’ alina, ny 18 hatramin’ny 21 avrily. Efa anatin’ny famaranana ny fanomanana ireo mpikarakara ny “Festival Dôla Beach” andiany faha-13 […]

TARATRY ny KANTO

Nomarihina teny Anatirova ny “Taombaovao Mala­gasy fidiovana 2025”. Nisy ny fizarana ny “afo tsy maty” tao amin’ny Kianja Masoandro, ny asabotsy teo. Nitohy ny alahady izany, izay nanaovana ny fomba rehetra rehefa tonon-taona toa izao: tatao, tsodrano, sns. Nahitana vahiny maro nanatrika izany, ka inoana fa miroso mankany amin’ny fankatoavana […]