Manampy amin’ny fitaizana sy fanabeazana ny ankizy ny fiseharany eo amin’ny haikanto. Anisan’ny antony nahatonga ny mpikarakara hanatontosa ny hetsika izany, ankoatry ny fahatsapana ny zava-misy eo amin’ny fanoratana asa soratra ankehitriny. Tanterahina manomboka amin’ity volana janoary 2024 ity, eny amin’ny Intsitut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny atrikasa mahakasika […]
kolon-tsaina
Musée de la Photographie: misy ny fampahafantarana ny « Ringa »
Nisokatra nanomboka omaly, teny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny fampirantiana « Lutteurs Bara ». Seho ranty ahitana sary pika miisa 15 izy ity. Mampiseho ny mpiangaly ny haiady fanao tany amin’ny foko Bara, tany amin’ny taona 1938 hatramin’ny 1965. Tohin’ny hetsika « Voyage en pays Bara et Vezo » ity atao ity […]
Kalon’ny fahiny : mitondra fahendrena ho an’ny mpihaino ny tononkira
Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, ny fivorian’ny sokajy haikanto sy hailaza. Anisan’ny nodinihina, nandritra izany, ny mahakasika ny « fanahy ao amin’ny kalo fahiny sy ny hiran’ny omaly ». Lohahevitra nentin-dRanaivoson Lucien, avy ao amin’ny Radio Feon’Imerina. Hamaritana ny kalon’ny fahiny ireo hira natao tao anaty teatra. Misy hifandraisany amin’ny tantara […]
Noho ny teknolojia: Sarona tanteraka ny kanto
Feo mibarareoka, ahitsy amin’ny fitaovana. Fitendrena zavamaneno tsy mandeha amin’izay hozany, fenoina amin’ny fitaovana… Mbola ny tontolon’ny hira ihany ireo. Misy ny sary sokitra, ny asa tanana, sns. Mandroso be ny teknolojia ka afaka mifehy zavatra maro ny olon-drehetra. Izany hoe, na tsy mifanitsy amin’ny talentan’ny tsirairay aza ny kanto […]
Andriamanantsoa Santatra: « Afaka miaraka ny haikanto sy ny fianarana »
Andriamanantsoa Santatra, fantatry ny maro eo amin’ny sehatry ny Slam malagasy amin’ny anarana hoe Santa. Ny taona 2014, nanomboka niditra teo amin’ny fanaovana “Slam poèsie” ny tenany, tany Antsirabe. Ny manodidina azy no nandresy lahatra sy nanosika azy hiroso amin’ny matihanina kokoa. Tafakatra teo amin’ny vovonan’ny Slam malagasy izy, ny […]